Haintrano tany Ambato-Boeni – Zaza iray no maty, may ny voanjo 70 gony
Distrika iray amin’ireo mandrafitra ny Faritry Boeny no nitrangana loza mahatsiravina ny alatsinainy lasa teo tamin’ny dimy ora hariva. Tsara aloha ny manamarika fa ireo kaominina rehetra mandrafitra ity distrika ity dia ahitana lemaka somary be velarana avokoa ary ny voka-bary sy ny fiompiana omby no tena nahafantarana an’Ambato Boeni hatrizay. Ankoatra izay dia ao no misy an’ilay kaominina nalaza be antsoina hoe “Madirivalo” izay voalazan’ny hiran’ny tarika Mahaleo. Amin’izay ahitana faritra lemaka azy izay kanefa kosa manakaiky ny fari-dranomasina dia mitsoka mafy lalandava ny rivotra any amin’ity distrika ity ary dia izay antony izay no nahatonga ny fahamaizan’ny trano miisa efatra tao Ambalamoraingy, fokontany Ankaraobato, ao an-tampon-tanànan’Ambato Boeni ihany izany. Ny ora voalaza etsy ambony dia fotoana fandrahoana sakafo tokoa ho an’ny mponina sady ny delestazy ihany koa manaikitra mafy any amin’ireo toerana izay azo lazaina fa lavitr’Andriana ka aleon’ny olona mahandro sakafo raha mbola mazava ny andro. Ny indro kely nandavo ny vositra dia teo an-tokontany no nanao izany ramatoa Tonisoa ka noho ny fitsokan’ny rivotra dia nipitika ny afo namonjy ny trano fonenana ary vetivety dia nahazo ny mpifanolo-bodirindrina. Mazava ihany koa fa ny tanàna toy itony, eny fa na dia renivohitry ny distrika aza dia tsy manana fiara mpamono afo, izay azo lazaina fa nofinofy ihany izany ho an’ireo ben’ny tanàna maro izay mitantana kaominina ambonivohitra. Vokany, may ny trano efatra araka ny voalaza tetsy ambony fa ny tena loza dia zazavavy kely vao telo taona monja antsoina hoe Haingosoa no namoy ny ainy kilan’ny afo. Ankoatra izay, voanjo 70 gony ihany koa no may tanteraka tsy azo nohanina intsony, satria koa faritra mpamokatra voanjo iny toerana iny. Noho ny fisian’ny famoizan’aina dia nidina nanao famotorana any an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambato Boeni ary tsy maintsy atolotra ny fitsarana kosa avy eo Ramatoa Tonisoa saingy mety vono olona tsy niniana natao kosa angamba no mety ho vesatra iampangana azy.
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







