Vous êtes ici :

Samedi 13 Décembre 2025

ombre

Mitaraina ny tany !

Boky iray fanta-daza loatra ho an’ny mpianatra malagasy izay nosoratan’i Andry Andraina tany amin’ny taona 1975 tany ho any no mitondra izany lohateny izany, ka anaovana kopa-tanana ireo zandry izay nahavita nandingana ny bakalorea kanefa ihany koa ankaherezana ireo antsasa-manila tsy maintsy hamerin-taona. Ivavahana mafy ihany ireto niangaran’ny vintana voalaza farany ireto mba tsy hisy hiala an-daharana raha sendra fahakiviana. Io no tonga amin’ny fitenenan’ny Ntaolo hoe « indray mandeha no manta vary ve dia handevin-tsotrobe” no sady amin’izao fotoana izao dia hazakazaka arahin-tosika ny fiainana ka tsy azo atao intsony izany mitamatama izany.

Fa raha miresaka izay fiainan-dramalagasy tao anatin’ny taona vitsy izay tokoa isika dia mahatsapa fa toa lasa zary taraina lava no heno. Farany teo, ohatra, dia velon-taraina ny valalabemandry fa midangana izay tsy izy ny vidim-piainana kanefa ny karama zara raha mitombo. Miakatra ny vidim-bary, ny hena, ny anana, ny voankazo moa tsy lazaina intsony, ny arina fandrehatra, ny saran-dalan’ny fitateram-bahoaka, sy ny sisa tsy voatanisa. Be no nahatsapa fa tsy misy mihitsy ny fandraisan’andraikitra ataon’ny manam-pahefana fa toa variana amin’ny resaka hafa izy ireo. Taloha kelin’io dia nahoraka ny resaka vaksiny miaro amin’ny lefa-kozatra ho an’ny ankizy. Raha tsara ny fitadidiana dia naverina impito na imbalo mihitsy aza ity vaksiny ity tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy ary dia noterena mihitsy ny tompon’andraikitry ny fokontany hanondro ireo tokantrano misy zaza hanatanterahana ilay hetsika. Nitsipaka marin-drano an’ity hetsika farany ity kosa anefa na ireo ray aman-dreny na ihany koa ny sekoly tsy miankina maro samihafa tamin’ny tanàn-dehibe maro ihany koa teto amin’ny nosy. Korontana be tsy nisy ohatra izany no niseho izay nampitaraina ny rehetra mihitsy. Etsy andanin’izany, ireo asa rehetra nofaritan’ny lalàna fa tokony efain’ny fanjakana ihany koa dia mampidradradradra ny maro. Eo, ohatra, ny fanomezana jiro sy rano ny mponina izay anjaran’ny orinasa Jirama no manatanteraka izany kanefa dia io iaraha-mahita io ny delestazy isan’andro vaky sy amin’ny ora tsy ampoizina lava izao. Iaraha-mahafantatra ihany koa ny vokany dia ny voalohany amin’izany ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana manerana ny tanàna ary efa ela ny mponina eto an-drenivohitra, ohatra, no tsy sahy miditra elakelan-trano intsony raha vao mipaika ny amin’ny enina ora hariva. Fa alohan’ny ahatongavana any amin’ny toeram-ponenana anefa dia sedra maro ihany koa no tsy maintsy atrehina eny rehetra eny: ny mpangaro-paosy ao anaty fiara fitaterana, ny mpanendaka eny amin’ny fiantsonan’ny fiarakodia, ny mpifoka rongony romotra amin’ny ataony sy ny sisa tsy voatanisa ihany koa. Rehefa tonga koa anefa ny alina dia mitaintain-dava ihany koa sao sanatria misy mpamangy amin’ny ora tsy ampoizina dia ireo jiolahy marobe sesehena izany. Any ambanivohitra indray dia tena manjaka tanteraka ny dahalo ka tsy mifidy intsony izay horobaina fa na omby io, na radio, na fitaovana fampiasa amin’ny lakozia, na vilia, na vilany, na sotro aza, dia entin’izy ireo avokoa, hatramin’ny lamba firakotra ihany koa. Ny tena loza dia tsy vitan’ny mangalatra ary mamaky trano sy vala ny dahalo fa mamono sy mandratra ihany koa. Mizaka ny mafy araka izany ny mponina satria ny an-tanana efa tsy misy ho raisina intsony kanefa mbola tsy maintsy hitady vola ihany koa hitsaboana ny marary. Mazava anefa fa mbola adidin’ny fanjakana ny miahy ny fandriam-pahalemana manerana ny nosy sy indrindra ihany koa miaro ny vahoaka sy ny fananany. Vokany faharoa amin’ny tsy fisian’ny jiro sy ny rano dia lasa malaina misasa ny ankizy satria filaharana lava be isan’andro ary ora maro no laniana rehefa mantsaka eny amin’ny paompin-drano eny satria tokoa ny fandrahoan-tsakafo aloha no tsy maintsy laharam-pahamehana. Reraka ny vatana mifoha maraina be, miaritra ny hatsiaka sy ny hainandro kanefa dia daban-drano vitsivitsy monja no mba azo anatin’ny fotoana lava dia lava. Ary tena isan’ny itarainan’ny mponina io olan’ny jiro sy ny rano io tao anatin’ny taona vitsy izay.
Fa raha iverenana ny tontolon’ny fampianarana dia efa maro sahady izao ny mieritreritra ny sampam-pianarana hidirana ho an’ireo tafita tamin’ny bakalorea vao nivaoka omaly iny ny valim-panadinana. Miankina amin’izay mantsy avy eo ny mety hahitana asa araka izay haingana indrindra. Ary eo ihany koa no tena mampitaraina ny maro satria tsy mahavita mamoron’asa mihitsy ny fanjakana kanefa mangeja mafy ihany ny sehatra tsy miankina amin’ny famoronana hetra maro isan-karazany, hany ka voatery tsy mampiditra mpiasa vaovao ihany koa ity sehatra iray ity. Izany hoe rehefa vita ny fianarana, izay ady lehibe tokoa no atao fa hahazo diplaoma izany, dia miverina mipetraka ny baraingo amin’ny hoe : hanao inona satria tsy misy ny famoronan’asa vaovao.
Raha izay rehetra izay no visavisaina dia mitaraina tokoa ny tany. Mety tsy ho tamin’ny fotoana nanoratan’i Andry Andraina azy ny tranga miseho fa saingy tsaroana kosa aloha  fa tena henjana lavitra ny raharaha ankehitriny ary manginy fotsiny ny fanangonan-karena ataon’ny mpitondra eto amintsika.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre