Ambohimangakely – Asan-jiolahy
Ankehitriny, tsy kely lalana ny ratsy ka izay tsy mailo dia voany. Betsaka ireo asan-jiolahy heno etsy sy eroa na maro aza ireo polisy miparitaka, mitety ny elankelan-trano dia vitan’ireo mpanao ratsy ihany ny teti-dratsiny. Ny 31 aogositra, tao Ankadilalana fokontany Andranovao, tamin’ny 12 ora sy 30 minitra iny tolakandro iny, dia nisy roalahy nangala-bola. Teny Ambohimangakely tao amin’ny fivarotan-kazo no nitranga ity asa ratsy ity. Mody nilaza ireo olon-dratsy fa haka ny akanjon’ny rahalahiny izay marihina fa mpiambina tao amin’ilay fivarotana teo aloha. Noho izany, tsy taitra ilay tompon-trano fa namoha ilay varavarana. Akory ny hatairan’ity farany raha vao tafiditra ireo roalahy fa avy hatrany dia nidaroka sady nandromba ny vola lafo rehetra mitotaly 4 095 000 ariary. Rehefa vita ny asa ratsin’izy roalahy, avy hatrany dia nandositra izy ireo. Vokany, naratra mafy tamin’izany i Tefinjanahary Tanjoniaina ary nentina notsaboina eny amin’ny Hjra. Niezaka avy hatrany nanao ny fikarohana ny zandary avy ao amin’ny brigady Ambohimangakely saingy efa tsy tratra ireo jiolahy.
Volana S.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







