Analakely – Notafihan’ny mpivarotra amoron-dalana ny fiaran’ny Polisy Kaominaly
Samy mihenjana. Manao fangalampiery sy mifanenjika eny foana ireo mpiasan’ny kaomina sy ireto mpivarotra ireto hatramin’ny nisian’ilay fanadiovana nataon’ny kaominina. Hatramin’izao, tsy misy ny marimaritra iraisana eo amin’ny tompon’andraikitra kaominaly eo anivon’ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ireo mpivarotra. Raikitra indray àry omaly ny korontana ka nisy tamin’ireto farany sahy nanohitra ka nanao fihoaram-pefy, nanao vali-bontana tamin’ny tora-bato ny fiara mazda manga ny Polisy. Vokany, vaky avokoa ny fitaratr’ilay fiara. Raha ny fizotry ny rahahara dia efa niomana ireo mpivarotra ka niandry fotsiny izay higadonan’itsy farany. Betsaka ny tratra ary natolotra teny anivon’ny biraon’ny polisy, teny Tsaralalana. Tsy vitsy ihany koa ireo tafatsoaka saingy efa mandeha ny fikarohana ary tsy maintsy hatolotra ny fitsarana raha ny fanampim-baovao azo avy ao amin’ny tompon’andraikitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Marihina fa tsy vao izao no nisian’ny toe-javatra tahaka izao satria vao tamin’ny herinandro lasa teo no efa nifanenjehan’ireo mpivarotra ity fiara ity raha iny nandeha hanao ny asa fanadiovana fanaony iny. Efa nilaza ombieny ombieny ny kaominina Antananarivo renivohitra fa tsy hihemotra amin’ny asa fanadiovana ny tanàna ataony satria misy koa ny mponina mitaky izany fanadiovana izany rehefa voaelingelina ny fahalalahany. Io tsena io no tena mampikorontana sy miteraka olana maro eo amin’ny fiarahamonina ; noho ny fisian’ireo mpivarotra amoron-dalana mibahana ny arabe sy ny lalan’ny mpandeha an-tongotra, ka miteraka fitohanan’ny fiara etsy sy eroa sady manelingelina ny fandehanan’ny mpandeha an-tongotra. Manana toerana azo hivarotana ho an’izay manara-dalàna ny Cua ka manainga ny mponina hahatsapa ny ezaka atao eto ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







