Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Antsohihy – Trano 38 may kila

Efa manakaiky ny vanim-potoanan’ny maintany isika izao na dia mbola mangatsiaka aza aloha aty ampovoan-tany, indrindra ny eto Iarivo ka mipaka hatrany Fianarantsoa. Raha ny manakaiky ny morontsiraka kosa, indrindra ny ilany andrefan’ny nosy dia efa maimaina tokoa ny rivotra mitsoka ary mitoetra mandritra ny andro sy ny alina ny hafanana. Fotoana toy izao tokoa no manomboka mirehitra tsy an-kijanona ny afo. Voamarina izany raha mihazo ny lalam-pirenena fahefatra iny satria dia ahitana doro tanety maromaro ihany mandrapahatonga aty an-drenivohitra. Toy izay koa raha manaraka ny arabe mianavaratra ka mihazo ny lalam-pirenena fahenina. Ho an’ny mponina any amin’iny faritry Sofia iny dia fotoana ihany koa izao amin’ny tokony hitandremana amin’ny fiparitahan’ny afo haingana satria mitsoka mafimafy ihany ny rivotra avy any an-dranomasina any no sady lemaka no betsaka amin’io faritra io.

Izay tokoa no nitranga tao amin’ny fokontany Betangerina, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Anjalazala, distrika Antsohihy satria trano miisa 38 tafo be izao no may tao an-toerana. Vokany, olona 60 be izao no lasa tsy manan-kialofana, tsy manana hanina hatokona ary tsy manana lamba hotafiana intsony afa-tsy ny eny an-kodiny. Nidina tany an-toerana ny ben’ny tanànan’Anjalazala niaraka tamin’ny zandary mba hanao ny fanadihadiana rehetra mikasika ity raharaha ity satria dia fantatra fa niainga tao amin’ny tokantrano iray ny afo izay niavian’ny loza ny talata faha-30 aogositra lasa teo tamin’ny 3 ora hariva.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre