Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fandrobana tobin-tsolika tao Fénérive-est – Fito lahy nidoboka am-ponja

Taorian’ny fanadihadiana sy famotorana lalina mikasika ilay raharaha fandrobana ny tobin-tsolika shell tao Fenoarivo Atsinanana ny alin’ny zoma 15 jolay 2016, ka nahaverezana vola mitentina 22 tapitrisa Ariary, dia niantso ny mpanao gazety ny Kolonely Serge Gele, lehiben’ny fari-piadidian’ny kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena Toamasina ny zoma 2 septambra lasa teo. Tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina nifanaovana no nahafantarana azy fitolahy ireo. Ny fanazavana nentin’ny Kolonely Serge Gele hatrany no nahalalana  fa anisan’ny mpiray tsikombakomba tamin’iny raharaha iny ny mpiambina ilay tobin-dasantsy sy ny mpiasa iray ( pompiste). Voalaza ihany koa fa niray tendro tamin’iny fandrobana ny coffre-fort iny koa ilay mpanamboatra falakahidy eto Toamasina antsoina hoe Dada lakile, izay efa voarohirohy tamin’ny raharaha maro. Toy ny fandrobana ny banky Boa tao Mahanoro. Nanamafy ny porofo nahatafiditra azy tamin’izao raharaha izao ny fahitana tao an-tranony ny porte-badge ny tompon’ilay tobin-dasantsy. Narian’izy ireo teny amoron-dranomasina avy eo ilay coffre-fort.

ZOUZOUH Toamasina 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre