Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Halatr’omby tao Soavinandriana – Maty voatifitra ny Kaporaly Tangongo !

Mizaka ny tsy eran’ny aina ny mponina any amin’iny faritra mena na “zone rouge” manodidina ny distrika Soavinandriana iny, aty amin’ny faritra Itasy izany, ka hatrany amin’ny distrika Mandoto, any amin’ny faritra Vakinankaratra indray ity toerana resahana farany ity. Mety somary manalasala ny olom-pirenena ny fifandraisan’ireo faritra roa voalaza ireo satria ny mahazatra ny maro, ohatra, raha ho any Mandoto ka miala avy any Soavinandriana dia ny mandray taksiborosy mamonjy an’Antananarivo aloha, ka avy eo indray vao mandray fiara hafa mandeha mankany Antsirabe, izay vao maka zotra rezionaly mandeha any Mandoto. Raha ny tena marina anefa ka atao dian-tongotra ny lalana tsy dia mifanalavitra be toy izay ireo toerana voalaza ireo.

Ny talata 30 aogositra tamin’ny 10 ora alina ary dia nisy ny asan-dahalo nitranga tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambohimarina, fokontany Ambohimpihaonana, ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Antamponala, distrika Soavinandriana. Omby 34 no lasan’ny dahalo 10 lahy izay nitondra basy ary rehefa nanao ny fanarahan-dia ireo omby very ny miaramila avy ao amin’ny Das-n’io toerana io izay niaraka tamin’ny fokonolona dia nahita fa nizotra nankany Mandoto ny dia. Rehefa tonga tamin’ity distrika iray ity ireto farany dia nangataka fanampiana indray tamin’ireo miaramila tao amin’ny Das-n’i Mandoto. Nony nandeha kelikely dia nisy ny fifandonana teo amin’ireo dahalo sy ny miaramila nampian’ny fokonolona. Lavo tamin’izany fifanjevoana izany ny Kaporaly Tangongo avy ao amin’ny Das-n’i Mandoto raha toa kosa ka naratra mafy ny Adjudant Patrick avy amin’ny Das-n’i Soavinandriana. Lasan’ireo dahalo ihany koa ny basy kalachnikov iray izay nisy bala 30. Rehefa nahare ny tatitra kosa ny zandary ao amin’ny kaompania Mandoto dia nandefa mpitandro filaminana hafa hanampy ireo tany an-toerana sy haka ny razana ary hitondra ny maratra. Nitohy ny fanarahan-dia ireo dahalo ny alarobia 31 aogositra.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre