Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Vatam-paty mandehandeha !

Mahagaga ny maro ihany ny mbola mahita sy mandre fa mbola mamono hatramin’izao itony fiaram-pitaterana mitondra ny marika « sprinter » itony ary mbola miriaria tsy misy mpanakana mihitsy. Raha ny faran’ity herinandro ity izao dia loza roa be izao indray no nasehony ka ny voalohany tamin’izany dia tany Soamahamanina. Any andrefan’Arivonimamo any no misy izany tanàna izany izay tena nalaza dia nalaza tokoa tato ho ato noho ny tsindry hazo lena mahazo ny mponina amin’izany kaominina ambanivohitra izany. Tao amin’io tanàna io araka izany no niseho ny loza ny sabotsy hariva lasa teo tamin’ny enina ora hariva ka mpiasan’ny kaominina ao Bongatsara, aty amin’ny distrikan’

Atsimondrano – Faritra Analamanga – no nentin’izany fiara izany. Nandeha nitsangatsangana tany Ampefy tokoa ireto mpiara-miasa ireto ary somary harivariva ihany vao nieritreritra hamonjy fodiana. Nitranga tokoa àry ny loza satria dia nipitika ny kodiarana afara tamin’ilay fiara. Hatreto taloha, raha ny fantatra dia olona roa no maty ka vehivavy daholo ireo, ny iray 38 taona ary ny faharoa, mbola vao tena eritrerony tokoa satria dia 22 taona monja. Miisa 16 kosa ireo naratra raha miisa 30 ireo mpiasa nandray ny fiara. Raha izay ny tamin’ny lalamp-pirenena voalohany iny dia nisy fiara « sprinter » ihany koa nanao lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena fahefatra izay mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga. Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Anosiala, ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, no nisehoan’izany ka nodomin’ity fiara be ity moto iray. Tsy nisy aloha ny aina nafoy fa ilay kodiaran-droa no tsy nisy noraisina intsony. Nilefa kosa ilay fiara rehefa nitranga ny loza ary dia voatery nanenjika azy ny zandarimariam-pirenena sy nampilaza ireo mpiara-miasa aminy tamin’iny lalam-pirenena iny. Efa tany Mahitsy vao azo ranamana ary dia tsy maintsy naverina taty amin’ny toerana nitrangan’ny loza no voatery notazomina tao amin’ny paositry ny zandary ilay mpamily. Ny sabotsy lasa teo ihany koa no nisehoan’ity loza iray ity saingy ny maraina tamin’ny 10 ora mahery indray. Ity tranga ity dia mampatsiahy ny rehetra ny loza iray nahatsiravina izay niseho tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny ihany ny faramparan’ny volana aprily lasa teo ka namoizana ain’olona am-polony mahery ka zaza mpianatry ny sekoly iray eny amin’ny boriborintany fahenina eny no maro an’isa tamin’izany. Teny Andranovelona no nitranga, raha ny marimarina kokoa ary voatery mihitsy ny fanjakana tamin’izay nandray fepetra maromaro mba hifehezana ny tsy hitohizan’ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao. Isan’izany, ohatra, ny tsy maintsy hangatahana alalana amin’ny ministeran’ny fanabeazana raha toa ka entina hitsangatsangana ny mpianatra. Isan’izay ihany koa ny fampianarana nandritry ny andro maromaro ireo tompon’ny fiara, ny mpamily ary ny mpanampy azy. Teo ihany koa ny fepetra tsy nahafahan’ny kaoperativam-pitaterana niasa nandritry ny fotoana lavalava ihany.

Nieritreritra ny maro tao aorian’izay fa mety tsy hisy firy intsony ny loza aterak’ity karazana fiara iray ity kanefa dia tsy izany mihitsy no niseho satria saika ho isan’andro vaky ny mpanara-baovao dia maheno fa misy ny loza ary saika amoizana aina foana izany. Raha ny tarehimarika tokoa no dinihina dia ny « sprinter » no manao ny lozam-pifamoivoizana be indrindra eto amin’ny nosy. Be ny antony mahatonga izany fa vitsivitsy no andeha haverina eto indray. Ny voalohany aloha dia fiara tsy natao hitondrana mpandeha na havadika ho fiaram-pitateran’olona no nanamboaran’ireo vazaha alemana azy. Any Eoropa any dia entana no entin’izany fiara izany ary tsy misy mihitsy ny « porte-bagage » eo amboniny. Amin’ny endriny antsoina hoe « fourgon » izy itony any ary dia ao anatiny daholo ny entana tokony ho entiny ka voalanjalanja na ny haben’ny ao anatiny, na ny tanjany, eny fa hatramin’ny hafainganam-pandeha tokony ho azon’ny mpamily ampiasaina. Ireo entana kelikely lanja kanefa ilain’ny tompony haingana no taterina amin’ity fiara ity ary dia izay mihitsy no antony namoronan’ny orinasa mpamokatra azy. Eto amintsika kosa dia navadika ho fitateran’olona ny « sprinter » ka eny ambony tafo ny entana! Ny tanjany sy ny hafainganam-pandeha nefa tsy niova, hany ka tsy voafehin’ny mpamily gasy ny fampiasana azy. Etsy andanin’izay dia saika ireo mpitondra no tompony eto Madagasikara : eo ny mpitandro filaminana indrindra indrindra, eo ihany koa ireo tale jeneraly any amin’ny minisitera rehetra any, dia eo ihany koa ireo ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy. Dia mazava araka izany fa raha sendra manao fahadisoana ny mpamily dia miala maina ny polisy sy ny zandary ary indrindra ireo izay niharan’ny loza. Manao ny danin’ny kibony ny mpamily ka raha sendra ny tampoka dia miantso vonjy any amin’ny « patrô » tsy refesi-mandidy. Ny loza aza dia mahazo rariny indray ireto izy ary tena afa-maina tokoa ka vonona hamerina fanindroany indray ny hadalany.

Antony telo ao anatin’ny maro ireo kanefa dia ampy ilazana fa tena vatam-paty mandehandeha tokoa ity karazana fiara iray ity, indrindra rehefa entin’ny maty eritreritra tsy laitran’ny balan’ny fananarana ka arovan’ireo be sandry. Etsy andaniny dia fahoriana tsy hita noanoa no mahazo ny fianakavian’ny niharam-boina satria tsy tanana handrangotra, tsy tongotra hitsipaka ary ny ho avy manontolo no maizin-kitroka.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre