Vous êtes ici :

Lundi 23 Février 2026

ombre

Ambatofinandrahana – Dahalo 11 no maty

Manjaka ny dahalo any amin’iny distrikan’Ambatofinandrahana iny ary efa ela no nisian’izany. Dahalo maromaro nitondra basy kalaky sy basy lava no nanafika tao Ankisira, fokontany Ambalakinagna, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Amborompotsy ka nangalatra omby 26 isa. Ny zoma 2 septembra lasa teo no nisehoan’izany halatr’omby izany ka rehefa nandre ny fahavoazana ny kaomandin’ny kaompania tao Ambatofinandrahana dia nandefa zandary nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona. Ny androtr’io ihany dia nisy ny fifandonana, dahalo miisa 11 no maty ary tafaverina avokoa ireo omby nangalarin’izy ireo. Ankoatra izany dia basy lava vita gasy 3 miampy cartouche 3 ihany koa no tratra. Araka izany, masiaka dia masiaka ny dahalo any amin’ny faritra Amoron’i Mania any kanefa tsy misangy ihany koa ny zandary sy ny fokonolona. Ity kaominina ambanivohitra voalaza etsy ambony ity dia itrangan’asan-dahalo matetika tokoa ary dia mitondra faisana mihitsy ny mponina any ambanivolo any.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre