Moramanga – Kalaky iray saron’ny zandary
Basy kalachnikov iray no saron’ny zandary tamin’ny lehilahy iray atao hoe Rasta izay monina ao Tanamandroso Moramanga, ny zoma 2 septambra lasa teo. Ny 30 aogositra, nandre tamin’ny olon-tsotra iray ny zandary any an-toerana fa misy lehilahy roa mivarotra io basy io ao an-tanànan’i Moramanga. Tsy niandry ela ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimaria fa avy hatrany dia nanomana ny vela-pandrika rehetra mba hahafahana hisambotra ireo olona voalaza ireo. Roa andro no tsy nisy nakana aina sy natoriana nanaovana ny fikaroham-baovao ka hita ihany ny tranon’ny iray tamin’ireo jiolahy kanefa tsy nahitana na inona na inona rehefa nosavaina. Ilay faharoa kosa dia tafaporitsaka ka tsy tratra. Notanana mba hanaovana fanadihadiana ilay tratra ka nilaza ihany fa nisy tokoa io basy io saingy efa namidiny tamin’i Rasta izay monina ao Moramanga ihany. Nosamborina ity farany ny voalohan’ny volana septambra ka nosavaina ny tranony. Tsy hita tao anefa ilay basy fa rongony 5 kilao izay raviny sy voany no sarona tao aminy. Nilaza ho tsy mahalala na inona na inona mikasika izany resaka kalakcnikov izany ranamana faharoa ity. Rehefa notanana izy ka nitohy ny famotorana dia nanaiky ihany fa nividy ilay basy efa ho tapa-bolana lasa saingy nolazainy fa efa nalefany any Antananarivo izany ary tsy hainy intsony ny misy an’io. Ny famotorana natao tamin’ny vadiny avy eo no nahafahana nieritreritra fa mbola ao an-tanànan’i Rasta io basy io satria nilaza ilay ramatoa fa indray hariva dia toa nandevina zavatra teo an-tokontany ny vadiny kanefa tsy fantany na inona izany na inona. Nandray fanapahan-kevitra ny hampangady ny faritry ny tokontan’i Rasta rehetra ny Komandin’ny kaompania ka nody ventiny ny rano natsakaina rehefa ela ny ela satria dia hita nilevina tokony ho antsasametatra tany ambanin’ny tany teo amin’ny fitobian’ny fako ilay basy izay nofonosina tamin’ny lamba tsilena. Voasambotra ihany koa ny lehilahy iray izay efa nanafenan’ireo roalahy mpivarotra basy an’io kalacknikov io nandritra ny andro vitsivitsy talohan’ny nividianan’i Rasta azy. Mbola mamarana ny famotorana ny zandary ka hatolotra ny fampanoavana ireto jiolahy aorian’izany.
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







