Manjakandriana – Vaky fasana
Saika ahenoana vaky fasana avokoa izay toerana rehetra aleha eto Madagasikara. Lasa fanao mihitsy izy ity tato ho ato. Tsy misy intsony ny fatahorana ny tody sy ny fisian’ny henatra fa dia ny fasana no lasibatry ny mpangalatra. Sarotra tokoa ny fiainana dia izay afaka amidy, mba hazahoana vola dia atao avokoa. Ny 03 septambra 2016 tokony ho tamin’ny 08 ora maraina tao amin’ny fokontany Ambohimasina Ambohibary, no nitranga ny seho. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra fa nivoha ny varavaram-pasana iray ka nampandre ny fianakaviana sy ny manam-pahefana. Nidina nijery ifotony ny zandary avy ao amin’ny PA Anjepy sy ny fokonolona ary ny tompom-pasana ka hita fa razana 04 no tsy hita. Ny manam-pahefa ao Anjepy no manao ny famotorana. Hatao inona àry ireny taolam-paty angalarina ireny ; iza loatra no mba mividy ireo taolam-balo nangalarina. Noho izany tranga izany, dia nentanina ny fokonolona hanara-maso ny olona rehetra mivoaka sy miditra eo an-toerana.
Volana S.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







