Vous êtes ici :

Lundi 23 Février 2026

ombre

EKAR Behenjy – Tsy manadino ny Fiangonana ireo zanaka am-pielezana

« Fianakaviana mino sy mifankatia no antoky ny fampivoarana ». Toy ny fanao isan-taona dia nikarakara sakafom-pifaliana ny zanaka am-pielezan’ny Ekar Fo Masin’i  Jesoa ao Behenjy,  ny Sabotsy 03 Septambra 2016, tamin’ny 12 ora sy sasany, tao amin’ny Falda Antanimena. Hetsika teo ambany fitarihan’ny R.P Ranaivoarinivo Jean Olivier, tompon’andraikitra voalohany ao an-toerana. Natao indrindra izy ity mba  hanohizana ny fanitarana ny fiangonana izay efa naharitra sivy taona, izany hoe efa tamin’ny taona 2007. Mbola maro ny asa tsy vita, izay tena mbola lavitra ezaka tokoa. Maro ny olana nosedraina nandritra izay taona maro izay, nefa mandeha miandalana ny asa, na dia nisy fotoana nampiato kely azy aza. Eo anatrehan’izany anefa, tsy mitsaha-mitombo hatrany ny isan’ny kristianina tonga mivavaka satria raha 300 tany aloha dia nitombo ho 2800 izany ankehitriny. Tsy hadinon’izy ireo ny tanindrazana na dia miparitaka mitady ravinahitra amin’ny toerana maro aza izy ireo.

Araka ny nambaran’ny pretra tompon’andraikitra hatrany dia tsy misy ny mpanohana  sy mpanampy manokana amin’ny lafiny ara-bola ny fanitarana ka izany no antony mahatonga ny fahataran’ny asa toy izao satria ny ezaka ataon’ny kristianina ao an-toerana sy ny fanampian’ny zanaka am-pielezana toy izao ihany no entina manatanteraka ny asa. « Izay malala-tanana sy avy ao an-toerana no manao ezaka sy manolotra. Koa mangataka izay afaka manohana  sy manampy ho amin’ny famitana ny asa izahay mba hamitana tsara izao fanatsarana ny tranon’Andriamanitra izao, mba ho afaka mivavaka anaty trano voarafitra sy voatafo ary voadio tsara amin’izay ny kristianina katolika ao Behenjy ary isaorana ireo izy nanohana hatramin’izay ka hatramin’izao ». Hoy hatrany ity pretra tompon’andraikitra voalohany ao an-toerana.  « Misaora an’Andrimanitra eo amin’ny Fiangonana » (salamo 51, 27) no teny manentana azy ireo amin’izao fanitarana izao, izay sady ao anaty fankalazana ny jobily faha-100 taona ihany koa. Marihina fa ao anatin’ny diosezin’Antananarivo, Vikaria atsimo, ny EKAR Fo Masin’i  Jesoa ao Behenjy, renivohitry ny distrika izy, izay ahitana zana-piangonana 24.

Chrisnovah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre