Mpiasa ECD – Entanina hanara-maso ny latsakemboka eny amin’ny CNaPS
Toy ny mpiasa rehetra amin’ny sehatra tsy miankina dia mendrika ny handray vola ny mpiasa ECD rehefa tonga ny fahanterany. Ka dieny izao tanora izao dia entanina ny mpiasa hanara-maso ny latsakembokany ao amin’ny tranonkala www.cnaps.mg. Maro amin’ireo mpiasa ECD na “Emploi de Courte Durée” izany hoe ireny “contractuel” eny anivon’ny fanjakana ireny no mandany 20 na 30 taona eny anivon’ny orinasam-panjakana kanefa dia miala maina rehefa tonga ny fotoana fisotroan-dronono na (retraite). Maro ny antony mety mahatonga izany fahaverezan-jon’izy ireo izany. Tsy fanefan’ny mpampiasa ny latsakemboka na ny tsy fahafenoana na ny tsy fahatomombanan’ny taratasy aterina any amin’ny CNaPS. Izay no nahatonga ny Ministeran’ny Vola sy ny Tahirim-bolam-panjakana ( Tresor Public) ary ny CNaPS, hiara – hisalahy ka nanofana ireo olona rehetra mpikirakira ny volam-panjakana sy ny mpikirakira ireo taratasim-panjakana.
« Nofanina manokana nanomboka ny alarobia teo hatramin’ny zoma 02 septambra lasa teo, tetsy amin’ny foibe CNaPS Ampefiloha ireo mpampiasa mba hanao ny adidiny mba hahafahan’ny mpiasa misitraka ny zony. Ampianarina azy ireo koa, ireo fepetra hahazoana ny fanampiana. Toy ny fanampiana ny fianakaviana izay misy karazana dimy : ny volan’ny bevohoka, ny volan’ny mpiteraka, ny fanonerana ny lany teo am-piterahana, ny antsasan-karama ary ny volan-jaza, ny fanampiana solo-takaitra, hoan’ny mpiasa tra-doza vokatry ny asa. Ny antsoina hoe loza vokatry ny asa dia ny loza miseho amin’ilay mpiasa. Na koa tra-doza ilay mpiasa teny an-dàlana avy any an-tranony handeha hamonjy ny toeram-piasany, na avy tao amin’ny toeram-piasany handeha hody hamonjy ny tokantranony ka tsy nivilivily làlana. Fa mahazo fanampiana ihany koa ny mpiasa nandeha namita iraka, ohatra hoe nirahin’ny orinasa handeha hiasa any amin’ny faritany (en mission) ka tra-doza ary ny fisotron-dronono », araka ny fanazavan’i Rakotoarison Hiaja, talen’ny vola eo anivon’ny CNaPS. Ny ankabeazan’ireo andrim-panjakana eto amintsika dia mbola mampiasa ECD. Isan’izany ny Ministera, ny Kaominina, ny Distrika ary ny Faritra. Mba hahafahana manome fanampiana ara-tsosialy ny mpiasa ECD dia tsy maintsy manefa ny latsakemboka any amin’ny CNaPS ireny orinasam-panjakana ireny ary avy eo mila manao fangatahana toy ireo mpandray zo rehetra ny mpiasa.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







