Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Maka lesona !

Be no mahatadidy an’ingahy Jean Ping ny malagasy satria dia ranamana iray afrikanina izay nivatravatra mihitsy tamin’ireny fotoanan’ny krizy naharitra tamin’ny taona 2009 ireny. Tamin’ireny fotoana ireny tokoa dia filohan’ny kaomisionina afrikanina tao amin’ny Firaisam-be afrikanina i Jean Ping ary izany kaomisionina izany no azo lazaina fa mandrafitra voalohany ny toetrandro aty Afrika. Ny tiana lazaina amin’izany dia rehefa milaza i Jean Ping sy ny namany fa kary io, dia mino azy ihany koa ny vondrona iraisam-pirenena ary dia tapaka avy hatrany ny fanampiana, ny fiaraha-miasa sy ny famatsiam-bola na avy amin’ny firenena maro samihafa izany, io ilay antsoina hoe cooperation bilatérale, na ihany koa ny vola mety ho azo trosaina na omena fotsiny tsy misy tambiny avy amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena na ny antsoina mahazatra ny malagasy hoe : « bailleurs de fonds » ! Araka izany dia manjombona ho azy ny tontolon’ilay firenena voatondro ny molotry ry ingahy Jean Ping itony satria ahoana tokoa moa no hanamboarana fotodrafitrasa isan-karazany izany, toy ny paompy, ny trano fidiovana, ny tsena, ny arabe, sy ny sisa raha toa tsy misy ny tosika avy any ivelany, izay mbola haverintsika eto fa indramina izy ireny amin’ny ankapobeny. Dia izay tokoa ny zava-nitranga tamin’ireny fotoanan’ny tetezamita ireny ary raha ny tian’ity Firaisambe Afrikanina ity dia nampandohalihana mihitsy ny vahoaka malagasy iray manontolo. Tadidin’ny maro ihany koa fa maro sesehena ny fepetra napetrak’ireto vazaha mainty ireto ary isan’izany ny tsy fahazoana mivoaka ny nosy ho an’ireo mpitondra tamin’izany. Ny tena tsy zakan’izy ireo sy ny vondrona iraisam-pirenena mantsy dia ilay fanovana notakian’ny vahoaka satria azo lazaina fa saribakolin’ny vazaha ihany ny mpitondra tamin’izany ka nanao izay tian’izy ireo natao. Tsaroana, ohatra, ireo tetikasa maro novatsian’ny avy any ivelany vola kanefa tsy hita akory izay vokany fa ny fiara 4×4 no nameno tanàna hatrany ambanivohitra any. Isan’ireny ny tetikasa fiarovana ny ala ary dia nentanin’ny mpitondra tamin’izany fa ilay angovo « maitso kely » no ampiasaina fa ny ala tsy azo kitikitihana intsony. Tsy araka izay anefa no nitranga fa vao mainka aza nitombo ny velaran-tany may isan-taona ary nisy ihany koa ny fitrandrahana tsy ara-dalàna tany anaty ala rehetra tany. Mahatsiaro ny rehetra fa efa nisy ny fanondranana tsy ara-dalàna ny bois de rose talohan’ny krizin’ny 2009. Mazava araka izany fa nolalaovin’ireo firenen-dehibe fotsiny ny mpitondra ka rehefa nitroatra ny vahoaka malagasy dia tonga ry Jean Ping sy ny namany nanome lesona ireo mpanao politika sy ny mpitondra ny tetezamita.

Ny tsara ho fantatra momba  ilay ranamana ity ihany koa mantsy dia tsy iza akory izy fa vinanton’ilay rain’ny filohan’ny repoblikan’i Gabon ankehitriny. Ny vadin’ingahy Jean Ping voalohany dia tsy iza fa zanak’i Omar Bongo, mpitondra tao Gabon nandritry ny 41 taona, izay antsoina hoe Pascaline. Ity farany ity no talen’ny kabinetran’ny rainy nandritry ny fotoana ela tokoa ary dia niara-nilanona sy nipetsapetsa ary nisôsy tao anatin’io fitondrana io ranamana. Izany hoe valilahin’Ingahy Ali Bongo izany izy ary Omar Bongo rainy yamin’izy mbola velona sy teo amin’ny fitondrana, no nanosika azy teo amin’ny toeran’ny filohan’ny kaomisionina afrikanina. Raha dinihina izany dia sakaizan’ny mpandresy ity havana raha misy patsa iray ity satria dia nigoka ny tombotsoa be azo avy amin’izany toeram-boninahitra izany. Tamin’ny taona 2012 kosa rehefa Ali Bongo zanany no teo amin’ny fitondrana dia nanapa-kevitra fa tsy hanohana azy intsony tamin’ny fifidianana nisy tao amin’ny Firaisam-be afrikanina ary dia tena tsy levon’ny vavonin’ingahy Jean Ping izany ka nahatonga azy nirotsaka ho tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Kanjo moa dia iny resy iny izy, na inona na inona aloha resaka ataon’ny filazam-baovao maneran-tany. Mazava ihany koa fa tsy nanaiky mora foana izany fahareseny izany i Jean Ping sy ny mpomba azy ka dia nandoro ny lapan’ny antenimieram-pirenena tao Libreville, renivohitr’ity firenena ity, ary indrindra nisora-tena fa izy manombok’izao no filohan’ny repoblika. Dia somary gaga ny rehetra, eny fa na ireo vazaha mena sofina izay nanohana an-dranamana ity no sady nibitsibitsika hoe « diniho tsara ihany aloha izay tokony atao ». Marina tokoa izany satria izay dia toa efa lefy sahady ny tsindry nataon’ny vondrona iraisam-pirenena ary ireo filazam-baovao tandrefana aza dia toa nanadino sahady ny zava-mitranga any Gabon any. An-kavitsiana sisa ireto farany no mba miresaka azy ity ary mazava ihany koa izay fa mety nisy baiko tany ho any ny tsy dia tokony hitaterana firy intsony. Toy izany ihany koa ireo namany rehetra satria tampoka teo dia tsy hita intsony ireto mpiara-misaika tao amin’ny Firaisambe Afrikanina.

Ka inona moa izany fa tsy nahazo lesona ilay ranamana mpanome lesona fahiny iny.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre