Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ambanivohitr’Antananarivo – Mbola miasa ny « super Goelette »

Fitaovam-pitaterana iray mbola nahazatra ny mason’ny mpandeha folo taona lasa izay irony « Super Goelette » vitan’ny orinasa Renault et Saviem irony. Raha nandinika ny maro dia lasa voasolon’ny fiara mazda izy ireto ary ity farany indray izao dia voailikilika amin’izao fotoana izao satria ny « sprinter » indray aloha izao no malaza.

Ho an’ny mponina avy aty an-drenivohitra dia nahamenatra azy ireto ihany ny mitaingina ireny “super” ireny no sady amin’izay koa mbola tery dia tery ny seza ao anatiny satria ataon’ny mpamily mpanampy enina eo amin’ny laharana iray. Fa ny tena tsy nitiavan’ny maro azy dia be ihany koa ny lozam-pifamoivoizana nataon’ity karazana fiara ity ary tsaroana ihany koa fa mitabataba be ny radio fampiasan’ilay mpamily somary mivilan-tsatroka izay. Izany tokoa mantsy ny lamaody tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny, efa azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny fiara « super goelette » miasa ary matetika izy ireny dia mampitohy ny any ambanivohitra manodidina an’Antananarivo saingy lalan-dratsy na ihany koa lalan-tany no ifandraisana. Tsy mahagaga ihany izany satria azo lazaina fa efa lany lamaody ity fiara ity ka be no tsy tia mandeha aminy sady ny ao anatiny rahateo efa tsy dia misy intsony ny « confort » tadiavin’ny mpandeha amin’izao fotoana izao. Ho an’ireo mbola manana azy kosa anefa dia azo lazaina fa efa lanin’izy ireo tsianjery ny fikarakarana ara-mekanika azy ary dia an-kavitsiana foana sisa no manary an-dalana. Io izany izao no 4×4-n’ny tantsaha sy ny tambanivohitra!

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre