By-Pass – Nivoaka ny lalana ilay fiara Express, olona fito naratra mafy
Tsy mitsaha-mitombo tato ho ato, indrindra fa eny amin’iny lalan’ny By-pass iny, ny lozam-pifamoivoizana. Ny alahady alina lasa teo indray mantsy dia fiara fourgonette Renaul Express iray no niharan-doza rehefa nandeha mafy loatra ka tafavohaka ny lalana mihitsy. Araka ny nambaran’ny mpitatitra fiara iray, izay nahita maso ny fahavoazana dia nandeha mafy loatra ity fiara ity rehefa saika hiala fandrika nanembatsembana azy teo amin’ny lalana. Tsy nahatana ny familiana anefa ilay mpamily ka namily ny kodiarana nivoaka ny lalana no azo natao farany. « Efa mamo ilay mpamily nitondra io fiara io. Vao niainga dia efa fantatry ny maro izany satria zara raha nahatsangana ity farany. Anefa moa tsy misy afaka hitondra intsony izahay ka voatery niaraka taminy ka izao tratran’ny loza izao », hoy ny mpandeha iray. Noho izany, nifatratra teny an-tanimbary ilay fiara. Soa ihany aloha fa tsy nisy ny aina nafoy fa saika naratra mafy avokoa ny mpandeha rehetra. Olona fito moa no fantatra fa naratra mafy vokatr’izany. Ny ankamaroan’ireo naratra dia tapa-tongotra sy tapa-tanana avokoa, ankoatra ireo izay naratra mafy teo amin’ny faritry ny loha sy ny lamosina. Nisy aza moa ankizy kely iray izay tapaka valanorano. Fiara hafa sendra nandalo noho izany no nanavotra ireo mpandeha niharan-doza, noho ny tsy fisian’ireo fokonolona nanampy noho ny andro mbola maizina. Izy ireo no niantso vonjy tamin’ireo mpitandro filaminana. Ny mpamily kosa no voatery nosokirina tao anaty fiara vao afaka. Tokony ho mailo hatrany ny mpamily sy ny tompona fiara amin’ny tsy fahatomombanan’ny fiara mpitatitra toy izao fa ny vahoaka no miaritra sy voa mafy hatrany rehefa avy ny loza.
T.A.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







