Faravohitra-Ambatokary – Saika notifirin’ireo jiolahy ilay renim-pianakaviana
Trano iray teny amin’ny faritra Faravohitra-Ambatokary indray omaly, tokony ho tamin’ny roa ora maraina teo no notafihan’ny jiolahy maro mitam-basy. Azo lazaina ho voaro ihany anefa ity trano fonenana ity satria avo dia avo ny rindrina ary mafy koa ny vavahady. Mbola nahita hirika hianihana tamboho ihany anefa ireto mpanao ratsy ka tafiditra soa aman-tsara teo antokontany ary namaha midanadana avy hatrany ny vavahady lehibe. Eo am-panokafana moramora ny trano kosa anefa ny iray tamin’ireo jiolahy no naheno feo ilay ramatoa be 42 taona tompon-trano ka nitsirika azy ireo teo am-baravarakely. Avy hatrany anefa dia hitan’ireo mpanao ratsy ilay ramatoa ka dia norahonan’izy ireo fa hotifiriny ny basy raha vao mihetsika mahery. « Hitan’ilay rangahy nanao T-shirt mainty aho dia norahonany sy nompainy, tsy natahotra izany anefa aho fa niafina ary nihorakoraka sy nitsoka kiririoka mafy mba hampandrenesana ny mpiara-monina », hoy ilay niharan-doza. Nitady lalana hitsoahana avy hatrany ireo jiolahy raha nahareha izany.
Araka ny filazan’ity ramatoa ity hatrany dia toerana malaza amin’ny fifohana rongony ny eo Ambatokary-Faravohitra, noho ny fisian’ireo ala manodidina ny tanàna sy ireo faritra mangingina. « Efa maro ihany ireo olona nosamborina fa ny mahagaga tsy mijanona ela ao am-ponja ireo mpifoka sy mpaninjara zava-mahadomelina ireo », hoy ny rangahy iray mipetraka eo amin’ny manodidina. Mihorohoro andro aman’alina ny mponina, araka izany ary manahy fa ireo mpifoka rongony ireo ihany no manendaka sy mamaky trano eny amin’iny faritra Ambatokary- Faravohitra iny..
T.A.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







