Vavatenina – Lasa ny vola 70 tapitrisa sy volamena 70 grama
Somary zendana ihany ny rehetra nahare ity vaovao ity satria mbola misy olona sahy mitahiry vola be toy izao ao an-tranony, eny fa na dia hoe any amin’ny toerana lavitra ireo banky aza. Dia izay tokoa no nataon’ny fianakaviana iray ao amin’ny fokontany Marofinaritra, kaominina ambanivohitra Miarinarivo ao amin’ny distrika Vavatenina any amin’ny faritra Analanjirofo any. Vola 70 tapitrisa mantsy no tao an-trano, toa sanatria tokoa hiantsoana dahalo izany. Raha ny aty an-drenivohitr’ilay Gasikara dia mety efa hahitana angano tokoa na vola an’alina monja aza. Ny azo antoka aloha tamin’ity raharaha iray ity dia efa nisy nahalala ny fisian’ilay volabe tao an-tranon’ingahy B. Ny sabotsy lasa teo, 3 septembra, tamin’ny 11 ora alina dia tonga tokoa ny jiolahy valo be izao. Nitondra basy kalachnikov efatra ireto mpanafika ireto ary nanapoaka azy mba hampitahorana ny tompon-trano. Rehefa izay no mitranga dia efa kely dia kely ihany sisa ny fanantenana amin’ny tsy hamoizana izay nohariana sy nitsembohana fatratra. Rehefa tafiditra ny trano ireo jiolahy dia nahazo ilay volabe miampy firavaka volamena milanja 70 grama be izao. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy na ihany koa ny naratra.
Malaza amin’ny vokatra fanondrana toy ny jirofo tokoa iny faritr’Analanjirofo iny – araka ny anaran’ny faritra rahateo -, ny lavanila sy ny canella ary ny dipoavatra. Amin’izao fotoana fiakaran’ny vokatra izao dia tena misy ny tokantrano, manam-bola be tokoa kanefa ihany koa etsy andanin’izany, vitsy ireo banky any ambanivolo rehetra any. Mahalana araka izany vao tafakatra an-tanàn-dehibe na ihany koa amin’ny renivohitry ny faritra na ny faritany kanefa koa tsy manadino fa be ihany koa ny jiolahy manakana amin’ ireny lalam-pirenena ireny. Izay antony maromaro izay no mbola mahatonga ny any ambanivohitra any mbola mitahiry vola an-trano kanefa araka ity tranga niseho tany Vavatenina ity dia toa sahala amin’ny nihary ho an’ireo mpandroba ihany ny tena raha tojo izao tranga fanafihana mitam-piadiana izao.
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







