Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Firenena fitehiriza-tsakafo !

Nalaza dia nalaza tato ho ato fa hoe atao “grenier”, na trano fitehirizan-tsakafo ho an’ny faritry ny ranomasimbe indianina hono ilay Gasikara. Nony avy eo dia tonga indray ry zareo avy atsy amin’ny Sadc na ny vondron’ireo firenena afrikanina aty amin’ny ilany atsinanana sy atsimo nanamafy fa tena hatao tanjona tokoa ny hahatonga an’ilay nosy ho mpamokatra ny sakafon’ireo firenena voalaza eo ambony rehetra ireo. Raha atambatra ireo firenena ireo dia miisa 17 be izao izany no miandry ho fahafahan’ireo tantsaha Malagasy kanefa aloha hatramin’ny nahatany ny tany dia mbola tsy nahavita nahaleo tena ara-tsakafo izany ny firenentsika ary tsy maintsy mbola nanafatra vary aman’aliny taonina ihany isan-taona.

Mazava fa hisy ny famatsiam-bola izay azo eritreretina fa be lavitra noho izay efa azo hatrizay, raha ity tanjona ity no jerena saingy ny fanontaniana mipetraka voalohany ho an’ny rehetra aloha dia ny lalana marina handehanan’izany vola izany. Tsy nisy tokoa mantsy teto amintsika famatsiam-bola azo ka tsy nandeha tany amin’ny tsy tokony ho izy ny ampahany amin’izany. Azo anaporofoana izany, ohatra, ny karama be azon’ireo lehiben’ny tetikasa, na gasy io na vazaha, ireo fiara tsy mataho-dalana maro sesehena zary nampihorohoro ny tontolo ambanivohitra sy ambonivohitra indray aza. Marina tokoa izany satria maro tamin’izy ireny moa no hita ho mameno ireo fiantsonan’ny tsena lehibe na “grande surface” eto an-drenivohitra sy ny any amin’ny faritany rehefa tonga ny faran’ny herinandro. Dia mazava ihany koa fa hitan’ny besinimaro ihany koa ireo fitondrana entana na “caddy” feno sakafo maro isan-karazany izay mampipitrapitra ireo vahoaka tsy mandady harona. Ka  raha ho avy izay famatsiam-bola hanatanterahana fambolena sy fiompiana amina velaran-tany midadasika dia mazava izany fa tsy maintsy mandeha ny didy antsy. Fa rehefa miresaka velaran-tany lonaka ihany isika dia mazava ihany koa fa efa misy mpitrandraka nanamainty molaly izy ireny efa hatramin’ny ela. Ka asa izany raha toa ka esorina amin’ireo Malagasy tsy mety mahaleo-tena ara-tsakafo – satria mitombo ny vava homana, ny velaran-tany nefa tsy mitombo ary ny tany mihareraka – indray izay efa mba niasany teo. Ankoatry ny sinoa izay mibodo tsotra izao ny tany sy ny haren’ny Malagasy dia tonga indray izany ireo afrikanina sy maorisianina ary renioney hibedibedy sy hampiasa an-dramalagasy. Ka inona no ilazana an’izany fa tsy mpanjanaka vaovao indray?

Etsy andanin’izany rehetra izany dia ity ihany koa no mahalasa fisainana. Mahazatra antsika Malagasy mantsy dia ny any ambanivohitra no toerana ahitana ny mpamboly sy mpiompy izay bangoina amin’ny teny tokana hoe : tantsaha. Marina tokoa izany satria ny fambolena aty ambonivohitra dia atao amin’ny tavy, na gony, na ihany koa kodiarana ary dia ireny tavoahangy plastika ireny no asiana goaka ny sarony mba hahafahana manondraka azy tsy tapaka. Ny faritra tena faran’izay lehibe ho an’ny manana izany dia ny zaridaina kely. Ho an’ny mponina amin’ny tanàn-dehibe dia karazana fialam-boly ihany ny fambolena satria mba manala sorisory amin’ny hazakaza-dava ny mahita zava-maitso eo an-tokontany. Raha izay hoe entina hamidy ny vokatra na ihany koa hilaofana mandritra ny fotoana vitsivitsy dia mampihomehy ny maro ihany izany. Ny fiompiana koa moa voarara raha ho an’ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr’ilay Gasikara ka zara raha manana akoho iray na roa ny isan-tokantrano ary izany aza tsy azo tazomina ela fa tsy maintsy avadika laoka haingana. Ka raha izay kisarisary izay no jerena dia ho lasa ambanivohitr’i La Réunion, Maurice, Angola, Botswana, Lesotho, Malawi, Mozambique, Swaziland, Tanzanie, Zambie, Zimbabwe, Namibie, Afrika Atsimo, Repoblika demokratikan’i Congo, Seychelles, ary i Comores, izany i Madagasikara! Satria aty amintsika no misy dobo manondraka tanimboly, misy renirano manondraka tanimbary, misy vilona maitso hohanin’ny omby, sy ny sisa tsy voatanisa. Ka asa aloha raha hanaiky an’izany ny sain-dramalagasy na tsia fa izay aloha izany no fanamby mipetraka ankehitriny.

Ankilan’izay rehetra izay dia fantatry ny maro ihany koa ny fanabeazana izay nomena ireo mponina Malagasy any amin’izany ambanivohitra izany. Ireo ankizy dia maro no zara raha mahatody ny taona fahafito manala ny fanadinana Cepe no sady ankoatra izay dia sakafo ambany foitra lava izao no omena azy ireny. Tsy mbola nisy tokoa politikam-panjakana mba nahafahana farafaharatsiny nanatsara ny sakafo homena ny ankizy amin’ireny sekoly fanabeazana fototra any ambanivohitra ireny. Ka raha izay ihany koa no dinihina dia ho tanteraka ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny vahoaka Malagasy iray manontolo izay tsy ho ela dia taranaka zara raha manana cepe no honina eto. Dia izay izany no vina hitondrana ny firenena izao!

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre