Mandrosoa Ivato – Asan-jiolahy
Tranga tsy mahagaga intsony ny asan-jiolahy eto amintsika satria na aiza na aiza aleha aharenesana asan-jiolahy hatrany. Tsy mifidy ora, tsy mifidy olona, tsy mifidy izay harapany fa rehefa misy azo alaina na kely aza dia tafihina. Ny 5 septambra tokony ho tamin’ny 1 ora sy 10 minitra maraina no tonga tamin’ny Air france ny masera jeneraly sy ny lehilahy mpiara-miasa aminy iray, izay samy teratany italiana avokoa. Masera miisa 6 no nitsena azy ireo tamin’ny fiara mini-bus fiat teny Ivato. Rehefa tafiditra ny lalana mihazo ny tranon’ireo masera ireo ny fiara dia nisy Jiolahy maromaro tokony ho 8 lahy mitondra basy lava iray no nitora-bato ny fitaratra havia sy havanana. Tafajanona ilay fiara ka niezaka ny nandositra ireo tao anatiny ary nandroba izay azony nalaina ireo olon-dratsy. Lasa tamin’izany ny valizy sy baoritra maromaro misy entana ary vola mitentina 10 000 euros no very. Marihina fa efa ho adiny iray taty aoriana vao nisy nampandre ny zandary ao Mandrosoa Ivato, efa tsy tratra intsony anefa ireo jiolahy. Akory ny hatairan’izy ireo rehefa tonga teo an-tanàna fa efa vaky koa ny trano fonenan’izy ireo ka very noho izany ny vola 12 tapitrisa ariary tao amin’ny biraon’ny masera lehibe ao Ivato.
Volana S.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







