Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Antsohihy – Roa no naratra mafy

Lozam-pifamoivoizana iray no nitranga tamin’iny lalam-pirenena fahenina izay mampitohy an’Ambondromamy amin’ny faritra Diana ka mipaka any Antsiranana iny. Teo amin’ny tetezana antsoina hoe Doroa, ao amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitr’Anahidrano, distrikan’Antsohihy, no nitranga ny fifandonana teo amina kamio citerne iray sy fiara mazda mpitatitr’olona. Vokany, roa no naratra mafy, izay tsy maintsy nalefa tany amin’ny hopitaly.

Ny tiana marihina dia misy tokoa ampahan-dalana izay tena tsara amin’iny lalam-pirenena fahenina iny ka mampihena ny fahamalinan’ny mpamily sy mampitombo ny hafainganam-pandehan’ny fiara. Eny antsefatsefany eny anefa misy ny tetezana somary tsy dia lehibe ihany mitsena tampoka ny mpandeha ka izay no tena ilàna fitandremana fatratra. Iny lalam-pirenena fahefatra mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga ary ny lalam-pirenena fahefatra amby telopolo mampitohy an’Antsirabe sy Morondava dia ahitana izany tranga izany matetika. Ilaina tokoa ny fahaizan’ny mpamily ny lalana, eo ihany izay, fa indrindra koa ny mahafehy ara-teknika ny fiara entina mba hialàna amin’ny loza.

J.L.R

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre