Ambato-Boeni – Mirongatra ny halatr’omby
Lasa faritra mena na “zone rouge” tsy fidiny iny distrikan’Ambato-Boeni iny, ao amin’ny Faritra Boeny satria tsy misy tokoa na andro iray aza tsy andrenesana asan-dahalo ka manao hetsika ny mpitandro filaminana, ny fokonolona ary ny jama amin’ny fanarahan-dia. Saika voakasik’ity halatr’omby ity avokoa ireo kaominina mandrafitra an’Ambato Boeni satria raha ny tao Ambato Avaratra, kaominina ambonivohitra io, ohatra, dia nahatratra lehilahy iray avy any amin’ny fokontany Betsioka, kaominina ambanivohitra Ankianjabe, ao anatin’ny distrika io ihany, ny fokonolona sy ny mpiray dina. Tratra niaraka tamin’ny omby roa ity lehilahy ity, izay naverin’ny fokonolona tamin’ny tompony fa ranamana kosa naterina tao amin’ny Brigadin’ny zandarimaria Ambato- Boeni. Ny voalohan’ny volana septambra tamin’ny efatra ora hariva no nisehoan’izany.Tao amin’io kaominina Ankianjabe io ihany saingy tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambararata, fokontany Andakavaky dia nisy fanafihan-dahalo ka lasan’ireo malaso ny omby 16. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny jama ary dia nisy ny fifandonana ka maty voakapan’ny famaky ny fokonolona iray. Tafaverina ihany kosa anefa ireo omby rehetra ary efa nidina any an-toerana ny zandary ao amin’ny poste avancé ao Ankazoambo. Ny alatsinainy 5 septambra lasa teo, tamin’ny iray ora tolakandro no niseho ity halatr’omby tao amin’ny Toby Ambararata ity.
Tsy afa-bela amin’ny asan-dahalo ihany koa ny kaominina Madirivalo satria ny alahady tamin’ny sivy ora maraina tao amin’ny fokontany Tsanaboa dia dahalo 3 lahy no nanafika ka nangalatra omby miisa 11. Nisy ny fifandonana rehefa nanao fanarahan-dia ny zandary avy ao amin’ny brigadin’Ambato-Boeni sy ny fokonolona. Ny tena manaitra amin’ireto tranga telo samy hafa izay niseho tamin’ny kaominina telo samy hafa ihany koa dia amin’ny antoandro daholo no miseho ny halatra. Azo ilazana izany fa tsy misy intsony ny filaminana any amin’ity distrika ity na dia amin’ny andro mazava aza. Tsy misy intsony izany fotoana entina mikarakara ny famokarana izany satria faritra be lemaka iny toerana iny ary malaza mpamokatra vary tokoa.
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







