Andranonilaimavo – Lozam-pifamoivoizana sy fandosirana
Mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana eny amin’iny By Pass iny, izay mampitohy ny lalam-pirenena faharoa amin’ny lalam-pirenena fahafito, miainga eny Ambohimangakely ka mipaka eny Iavoloha, indrindra fa amin’ny alina. Tsy misy firy tokoa ny jiro manazava iny lalana be mpampiasa iny raha ampitahaina ny any amin’ny lalam-pirenena voalohany, indrindra manomboka eo Ampitatafika ka mahazo an’i Fenoarivo. Maizina araka izany ny ampahan-dalana maro, indrindra ireo lavidavitra tanàna, ka raha sendra ratsy jiro ny fiara dia mety hitranga ny loza. Ny tena atahoran’ny maro aloha, ho an’ny mpitondra fiara io, dia ny sarety, ny posy ary ny moto, kanefa mila mpamily mahafehy fiara sy mitandrina ihany koa raha toa ka mandeha amin’ny andro harivariva sy alina izany.
Dia izay tokoa no nitranga ny alahady 04 septambra tamin’ny fito ora hariva satria tovolahy kely vao 21 taona monja no namily ny fiarakodia mitondra ny marika “Express” niaraka tamin’olona telo hafa. Raha ny fijery ivelany ny loza dia toa sahala amin’ny nandraindray kely ihany koa ireto olona ireto satria nahitana tavoahagy labiera tao anaty fiara. Nizotra nianavaratra ny dian’izy ireto ka nandona moto iray izay hihazo an’Iavoloha. Rehefa nitranga anefa ny loza dia tsy nijanona akory ilay fiara fa nanohy ny diany hatrany, izany hoe tsy nisy noraharahian’ireto izay niavian’ny loza akory ny zava-nitranga rehetra. Ny tena marina izany dia nandositra ilay fiara ary vao mainka aza nandeha mafy hiala haingana ny toerana sao misy mahatsikaritra na maharay ny laharan’ny fiara. Teo Andranonilaimavo, fokontany Ankadindratombo, kaominina ambanivohitra Alasora no nisehoan’ny fifandonana, kanefa tsy lasa lavitra akory dia nivadika ho azy teny amin’ny sisin-dàlana. Vokany, naratra ihany koa ireo tao anatin’ny fiara ary dia nipoitra ho azy teo ny nafenina, araka ny voalaza etsy ambony. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitandro filaminana ao amin’ny borigadin’ny zandarimaria Alasora ka nandefa ny maratra rehetra, niaraka tamin’ilay tovolahy 37 taona nitondra ilay moto, teny amin’ny hopitalim-panjakana Hjra ary tsy maintsy noraisina avokoa ny mombamomba azy ireo satria nanao heloka fialana andraikitra sy fandosirana ireo tao anaty fiara.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







