Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Tanjombato – Nofelahan’ilay ramatoa ilay mpitaky saran-dalana

Nanjary lasa fahazaran’ireo fiara fitateram-bahoaka tokoa ankehitriny ny tsy fanarahan-dalàna. Maro ireo izay manao taingim-be ka tsy manaja akory ny isan’ny olona tokony hotaterina ka sanatria mampitovy olona amin’ny biby izay asesisesika. Ao kosa ireo izay miverina an-dalana, tsy manatitra ireo mpandeha any amin’ny toerana farany tokony hijanonany.

Mahakasika izay tsy fanarahan-dalàna izay indrindra, tranga hafa kely no niseho omaly teny amin’ny manodidina ny  faritra Tanjombato. Tao anaty fiara fitateram-bahoaka raha ny marimarina kokoa. Mpandray saran-dalana amin’ny Taksibe « F » iray no voafelaka rehefa tsy nanaiky ny hitondra azy any amin’ny toerana nifanarahana, izany hoe eny Andoharanofotsy. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso dia nolazain’ity resevera fa eny Andoharanofotsy no fijanonana farany nefa rehefa nahita fa maro ireo olona mbola tokony haterina eny Anosy dia nisafidy ny hiverin-dalana izy ireo. Teo Tanjombato no najanon’ny mpamily ilay fiara, ireto olona efa ho maherin’ny folo. Tsy ilay ramatoa voalaza etsy ambony ihany anefa no tezitra tamin’izany fanapahan-kevitra izany fa ny iray fiara manontolo. « Mbola nanao vava tsy ambina ihany ilay rangahy resevera ka nilaza fa azy ny fiara ary izay tiany hanaovana azy. Nitaky ny hamerenana ny saran-dalana, noho izany ilay ramatoa nolaviny avy hatrany anefa izany. Rehefa hiala kosa ity farany dia mbola narahan’ilay resevera teny ihany hoe hay hiala ihany. Tsy fahaiza-miaina izay nahatonga fahatezerana ka nanomezan’ilay ramatoa azy ny tehamaina mafy dia mafy », hoy ilay niray fiara taminy.

Efa maro tokoa raha ny fitarainan’ireo mpanjifa raha ity resaka fihodinana an-dalana ity no resahana. Tsy izany ihany anefa fa efa maro koa ireo mitaraina fa mifanenjika ireo fiara fitateram-bahoaka ireo ary tsy miraharaha na kely aza ny ain’ireo mpandeha. Mbola miandry hatrany ny famahana olana avy amin’ireo koperativa samihafa foana ankehitriny ny vahoaka.

T.A.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre