Salaka sy raviny !
Raha tsiahivina ity herinandro efa hadiva hifarana ity dia nanomboka tamin’ny gidragidra raha ny vaovao teto an-drenivohitra no dinihina. Tsy inona izany fa ilay afo natsangan’ny filoha teo aloha teny Andohatapenaka izay nilazany fa azy ny tany ka tokony mangataka alalana any aminy aloha ny fanjakana ka raha mahazo fankatoavana dia izay vao mahazo mampiasa. Ny asa mandeha eny amin’ity toerana ity no jerena dia ireo tetikasan’ny filoham-pirenena ankehitriny kanefa ihany koa tafiditra ao anatin’ny fandraisana ny fihaonam-ben’ny frankofonia sy ny fivorian’ny Comesa izay hatao eto amintsika amin’ity taona ity. Etsy ankilany dia eo ihany koa ny fananganana tobim-piantsonana lehibe ho an’ny fitaterana an-tanety hasolo ny eny Ambodivona satria iny toerana iny dia mahazo avy hatrany ny lalam-pirenena fahefatra mampitohy ny renivohitra amin’ny ilany avaratra-andrefan’ny nosy. Raha izay no dinihina dia programan’asa lehibe tokoa izy ity izany satria eo ny lalana mampitohy mivantana an’Ivato sy ny 67 hektara ary andaniny ny toby lehibe vaovao ho an’ny fiara fitaterana. Dia izay fanamby izay no nahatonga ny fitondrana nanambara tamin’ny fomba ofisialy, miaraka amin’ny pitsopitsony an-taratasim-panjakana isan-karazany fa nalainy ny tany. Manana fahefana feno amin’izany rahateo ny fanjakana. Tena azo lazaina ho asa fampandrosoana no resahina eto no sady fanomezana endrika vaovao indray ny tanànan’Antananarivo. Raha tanteraka kosa aloha izany tobim-piantsonana vaovao izany dia mba afaka hisento kely amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’iny faritr’Ambodivona, Manjakaray, hatrany Analamahitsy sy Ampasampito iny, izany hoe ireo toerana tena ahitana fitohanana mandritry ny tontolo andro. Toy izany koa iny lalan’ny digy iny satria afaka mamonjy avy hatrany ny any ivelan’Antananarivo lavitra any ireo fiaram-pitaterana amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly ihany koa amin’ilay fahavitan’ity lalana vaovao ity. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany izay fa raha iverenana ny zava-nitranga ny alatsinainy farany teo dia tena nanangam-bovona mihitsy ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, nanambara ho ren-tany sy ho ren-danitra fa azy ny tany. Nentiny nanaporofoana izany ny bokin-tany maromaro saingy toa tsy novelariny kosa aloha mba halain’ny mpanao gazety sary hahitana izay tena soratra tao anatiny. Mazava fa tsy nandeha irery ny filoha teo aloha fa notronin’ireo mpiara-miasa amin’ny vadiny ao amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Ireto farany ireto moa dia nanome baiko ireo mpiasan’ny kaominina, ny zoma lasa teo fa eny amin’io toerana io no hanaovana ny fananganan-tsaina ny alatsinainy ary mahazo “fotsy ila” izay mpiasa miana-kendry tsy tonga manatanteraka izany. Nandaitra amin’ny ampahany ihany aloha io ramatahora io kanefa nony nahita ny maro fa hay zavatra hafa no tanjony dia maro no somary niala …ilany araka ny fitenin’ny tanora azy. Rehefa nahita ireo kamiao mpitatitra tany ny filoha teo aloha dia vao mainka niakatr’afo ary nantsoiny ireo mpiara-miasa amin’ny vadiny hanasazy ireto farany satria hono hoe tsy nahazo alalana hiasa tamin’ny fiadidian’ny tanàna. Voatery tsy maintsy nanaiky ireto farany ary dia nilaza fa miditra “fourrière” izany ny fiarabe telo ka naterina teny amin’ny toby teny Anosipatrana. Somary gaga ihany aloha ny rehetra satria, voalohany, noheverin’ny maro fa eny amin’ity faritra ity mihitsy no nokasaina hametrahana ireo fiara voalaza fa tsy manara-dalàna sy mipetrapetra-potsiny eto an-drenivohitra. Tadidin’ny rehetra iny fepetra iny satria ramose vadin’ny ben’ny tanàna mihitsy izay tsy manana andraikitra n’inona n’inona akory ao amin’ny fiadidian’ny tanàna no nitety ireo sampan-draharaha vitsivitsy nanome toromarika an’ireo mpiasan’ny kaominina. Faharoa, dia fantatry ny rehetra fa asam-panjakana no ataon’ireto fiara be ireto ary ny fanjakana naniraka azy no tompon’ny fahefana rehetra kanefa dia nogiazan’ny kaominina ny fitaovana. Nisy mihitsy hainoamanjery iray nilaza fa tena fahasahiana goavana no nataon’ny filoha teo aloha kanefa dia izy indray no manome lesona.
Ny alin’io ihany anefa dia nalain’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny tompon’andraikitra ambony tao amin’ny minisitera manantateraka ireo asa ireo ireto fiara be ireto ary dia maro indray no nivanitika satria toa karazana sarin’ady no niseho. Teo aloha ireo mpanao gazety voalaza mialoha fa hisy raharaha hitranga eny Anosipatrana ary dia efa niatrana teo ireto farany. Kelikely teo dia iny tokoa fa tong any … mpilalao ary nivoaka ihany koa ny ankilany. Dia somary nifanazava teo aloha nandritra ny minitra vitsy dia nihidy indray ny vavahady. Taorian’izay dia nifanositosika teo ny vitsivitsy, miaramila misaron-tava sy polisy monisipaly io kanefa dia vetivety ihany koa izay fa dia nanainga tsy nisy olana ireo fiarabe nogiazana. Rehefa nahita izany sary izany ny rehetra dia velom-panontaniana fa toa somary adiadin’olon-tiana izany raharaha izany ary sinema no tena betsaka. Ka raha izay tokoa moa izany no izy dia fa tsy mpirahalahy mianala ihany izany ireto mifanandrinandrina ireto, tonga amin’ny fitenin’ny ankizy hoe : salaka sy raviny!
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







