Vous êtes ici :

Mardi 17 Février 2026

ombre

Ambato-Boeni – Omby miisa 7 lasan’ny dahalo

Saika ho isan’andro izao dia aharenesana halatr’omby manerana ny lafy valon’ny nosy. Miseho amin’ny karazany maro ny fanatanterahan’ireo malaso izany ary matetika dia mahavita mandatsaka aina aza. Ao ny milaza fa efa kolontsain’ny faritra sasany ny fanaovana ity asa ratsy ity ; ao koa anefa ny miteny fa efa misy tambajotra izy io saingy tsy fantatra izay loharany sy fiafarany.  Ny 05 Septambra 2016 teo àry dia tany amin’ny distrika Ambato-Boeni indray no naharenesana fa nisy fanafihan-dahalo tao amin’ny tanàna iray teo amin’ny tamin’ny fito ora hariva teo ho eo ka lasa tamin’izany ny omby miisa 7, izay an-dramatoa Razanajafy. Dahalo maromaro izy ireo no nanao ny fanafihana, izay sady nitondra basim-borona. Tao ambala avokoa ireo omby ireo no navoakan’ireto malaso. Efa ao an-tsain’ny maro hatrany fa tsy ho tanam-polo fotsiny izy ireo rehefa manao ny fanafihana fa tsy maintsy hitondra karazana fitaovam-piadiana, hany ka tsy nisy sahy nivoaka ny fokonolona fa samy niery tao amin’ny tokantranony avokoa. Eny fa na ny vatan-dehilahy izay heverina ho matanjaka indrindra aza tsy sahy nifanehitra tamin’izy ireo. Rehefa lasa elaela ireo olon-dratsy vao nahasahy nivoaka ny matanjaka nefa efa tsy nisy teo intsony ireo dahalo ary efa nentin’izy ireo koa ny omby rehetra tao am-pahitra. Ny zava-dehibe aloha dia tsy nisy ny aina nafoy fa naka ireo biby fotsiny no nataon’ireo dahalo. “Vola fitady, herim-po fanary” hoy ny fitenenana saingy fahoriana hoan’ity renim-pianakaviana ny namoy ireo harena nohariana tao anatin’ny taona maro, izay nafoy tao anatin’ny minitra vitsy monja, noho ny afitsok’ireo dahalo, izay efa zatra ny mivelona amin’ny hasasaran’ny hafa fotsiny ihany. Miara-mientana mandrakariva ny mponina rehefa misy ny fanafihana toy izao ka nampandre ny manam-pahefana ihany koa. Araka izany, efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ka ny zandary avy ao amin’ny brigady Ambondromamy no manatanteraka ny fanarahan-dia miaraka amin’ny fokonolona.

Chrisnovah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre