Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Avaradrano – Mpitondra bisikileta maty tsy tra-drano

Isan’ny mahasarotra ny fifamoivoizana eto amintsika, indrindra amin’ireny lalam-pirenena rehetra manerana ny nosy ny moto, scooter ary ny bisikileta. Raha ity farany aloha, ho an’ny mpitondra fiarakodia, dia ilàna fitandremana be tokoa. Azo lazaina fa tsy mibahana ny bisikileta kanefa dia tsy maintsy miala lavitra ihany ny mpamily sao mandratra tsy fidiny eo. Ny lalam-pirenena fahafito no tena matetika itrangan’ny loza satria iny faritra mianantsimo rehetra iny dia tia mampiasa bisikileta tokoa ny mponina ary tsy misy zato metatra tsy ahitana mpitaingina azy. Azo lazaina fa misangy loza ihany izy ireny rehefa manao laharan-droa izay satria ny araka izany dia ny atsasaky ny arabe izany no lasany. Ny bisikileta anefa, iarahantsika mahalala, fa dia miadam-pandeha satria olombelona no mivoy azy ary dia eo indrindra ny olana. Mila maminavina tsara ilay mpamily raha toa ka mety ho afaka rehefa misy fiara mifanena aminy kanefa eo alohany misy bisikileta. Olana faharoa ihany koa dia tsy mba manana fiarovana ny mpitaingina satria tsy mifono anaty fiara toy ny mpandeha amin’ny aotomobilina no tsy manana aro-loha ihany koa toy ny mpitaingina moto. Azo antoka ny ratra na ihany koa ny fahafatesana arak’izany raha toa ka sendra ny loza.

Ary dia izay tokoa angamba no niseho teny Avaradrano teny satria dia nahitana lehilahy somary efa lehibe ihany, eo amin’ny 62 taona eo, izay nitondra bisikileta ka maty voadonan’ny fiara. Ny alatsinainy 5 septambra teo no nitranga ity loza ity tamin’ny 6 ora sy sasany hariva teo amin’ny sampanana mankany Lazaina, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Anosy Avaratra. Tsy nisy famonjena azo natao intsony ka nalefa tao amin’ny tranom-paty eny amin’io kaominina io ny razana raha toa ka ny zandary ao Sabotsy Namehana no manao ny fanadihadiana. Ny fanontaniana hafa mety hipetraka dia ny momba ny fanala manazava itony fitaovam-pitaterana itony satria raha ireny jiro fampiasan’ny bisikileta ireny aloha no hany ampiasaina dia mety sarotra ihany no hifankahitana.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre