CNaPS : Mihazakazaka any amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny Tantsaha
Ny tarigetran’ny CNaPS dia ny hanome fiahiana ara-tsosilay tsy miangatra ho an’ny rehetra na ny any ambanivohitra na ny aty an-tanàn-dehibe. Tsy mba misy mpiahy ny mpamokatra eto Madagasikara. Tsy mitazam-potsiny azy ireny ny CNaPS satria manan-jo toy ny mpiasa rehetra ny tantsaha. Ohatra velona amin’izany i Fanomezantsoa Jean Paul Zefania, mpamboly ao amin’ny Kaominina Befanamy Toliara II. Efa osa tokoa nefa mbola mitana angady entina ivelomana. « na osa aza aho ka tsy mahavita mamokatra intsony dia tsy misy mpamelona ny ankizy ka tsy maintsy miezaka hatrany aho hanao izay vitako fa raha ny tena marina aloha dia efa reraka avao ty vatako e». Maro ny tantsaha toa azy. Ka izany no mahatonga ny tahirim-pirenena, izay tarihin’i Arizaka Rabekoto, mihazakazaka any amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny tantsaha mpamokatra eto Madagasikara. Zon’ny mpamboly, ny mpiompy, ny mpanjono ary ny mpanao asa tànana ny misitraka izany fiahiana ara-tsosialy izany satria rehefa mihalehibe izy ireo dia tsy afaka mamokatra ka mila manana ny anjara fisotron-dronono.
Misy ny dingana izay tafiditra amin’ny fametrahana ny rafitra hitantana ny fisotron-drononon’ny tantsaha iarahan’ny CNaPS sy ny Tranoben’ny Tantsaha. Araka izany, notohizana taty amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fanadihadiana ifotony. Nambaran-dRamahavita Gabriel talen’ny masoivoho CNaPS any Toliary fa ireo antontan-kevitra rehetra azo nandritra ny fanadihadiana eny anivon’ny tokantranon’ny tantsaha no entina mametraka ny rafitra hitantanana ny fisotron-drononon’izy ireo. Efa tena miandrandra fatratra izany mantsy ny tantsaha satria ilaina amin’ny fiainana andavanandro rehefa tonga ny fahanterana na ho an’ny fitafiana na ho an’ny fikarakarana ny zaza mianatra. Raha fehezina dia ilaina amin’ny fiainana manontolo ny fiahiana ara-tsosialy ary indrindra ny fisotron-dronono amin’ny fahanterana satria mihena ny hery entiny mamokatra rehefa mihaosa ny tantsaha ary misy fiantraikany betsaka amin’ny tontolo ambanivohitra izany.
Kanto Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







