Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Bongolava-Tsiroanomandidy – Halatr’omby

Tsy zoviana amintsika ny halatra omby manerana ny kaominina sy fokontany. Na efa misy azan y andrimasom-pokonolona, azo lazaina fa mora amin’ireo mpanao ratsy ny manao ny fomba rehetra hahafahany maka moramora ny ombin’ny fokonolona ao anaty vala. Ny omby moa eto Madagascar dia tena harem-be ka izay tsy manana no manenina. Azo avy aminy ny hena, ny ronono…, tena azo lazaina fa fidiram-bola tsara ihany koa ka maro ny mirona amin’izany nefa amin’ny alalan’ny halatra. Ny 4 septambra tamin’ny 9 ora alina no nitranga ny halatra. Tao amin’ny fokontany Ambatolampy , dahalo manodidina ny valo izy ireo nitondra Fc04 no nangalatra ny ombin’andriamatoa Rakotondramanana sy Alban, miisa 18. Alina tokoa mantsy ny andro tamin’io fotoana io ka tsy nisy nahatsikaritra ny tompom-biby ka izao lasan’ireo “tena tompony”. Tamin’io ihany dia nifankatratra teo amin’ny kizo Andasimpika, commun rurale Beambiaty izy ireo ka raikitra ny fifampitifirana. Tsy nanaiky niala maina mantsy na ny andaniny na ny ankilany. Vokatr’izany tafaverina avokoa ireo omby 18 ary dahalo 3 noho naratra. Tafatsoaka ihany ireto farany satria nentin’ireo namany nandositraka tsy ita velively. Noho izany halatra sy fitifirana izany dia ny brigady Ambarartabe no misahana ny famotorana.

Volana S.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre