Vous êtes ici :

Mardi 21 Mai 2024

ombre

Anosibe An’ala – Jiolahy iray nanafika matin’ny fitsaram-bahoaka

Ankehitriny dia aleon’ny fokonolona vonoina ireo mpanao ratsy toy izay aterina eo am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana satria tsy mijanona ela akory izy ireny dia tafavoaka ary afaka madiodio aza ny ankabeazany. Jiolahy raindahiny indray mantsy no maty tsy tso-drano rehefa niharan’ny hatezeram-bahoaka tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo tany Maromitety Andonabe Kaomina Marolambo, Distrikan’ Anosibe An’ ala. Araka ny vaovao azo dia mitam-pihadiana ity lehilahy iray ity ary nanafika niaraka tamin’ny namany dimy lahy hafa. Tokantrana mpanangom-bokatra iray no lasibatr’ireto farany izay nivimbina antsy, famaky ary lefona avokoa. Nisy noho izany ny fifanoherana teo amin’ireo jiolahy sy ny tompon-trano ka nahatonga fikasihan-tanana mahery vaika. Nokapain’iray tamin’ireo olon-dratsy ny lohan’ilay raim-pianakaviana ka naratra mafy ity farany noho izany. Nahare ny antso vonjy sy ny kotaba anefa ireo fokonolona ka nirohotra namonjy ilay trano. Tra-tehaka avy hatrany teo am-panaovana ny asa-ratsiny izy ireo ka dia nifampisamboran’ny fokonolona erakin’ny tanana. Ny iray tamin’izy ireo ihany nefa no tratra ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Ora vitsy taty aoriana kosa dia tratra ireo efatra ambiny ka naterin’ ny fokonolona tany amin’ ny Zandary.

T.A.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre