Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Lavitra fandrosoana !

« Ny rano no fototry ny aina ». Tsy fitenenana mahazatra fotsiny izany na ihany koa teny baiko hankalazana andro iraisam-pirenena iray.  Mila rano ra-olombelona rehefa mifoha dia ny hoentina hisasana izany. Atao ahoana tokoa moa no hivoaka ny trano kanefa ny nify tsy voaborosy, ny vatana tsy nandro, ny tarehy sy ny tanana tsy voasasa, ny akanjo maloto, sy ny sisa  ary indrindra ny tena tsy mbola nahasotro na dia dite eran’ny kôpy aza! Ny an’ny hafa manan-katao aza dia tsy maintsy diovina hatramin’ny fiara, izany hoe ilaina fikojakojana avokoa hatramin’ny seho ivelany rehetra. Rehefa miakatra indray ny masoandro dia mila karakaraina ny sakafo antoandro ary mazava fa rano ihany koa no isan’ny singa lehibe ilain’ny renim-pianankaviana amin’izany. Hatreto aloha, tsy mbola nisy sakafo ka tsy nila rano raha ny fahalalana azy na hoe menaka fotsiny ihany dia ampy, na ihany koa vinaingitra ihany dia masaka. Na ny rano fisotron-dramalagasy aza rehefa misakafo antoandro io dia mitondra izany teny izany satria antsoina hoe : “ranovola” ary sahala amin’ny tsy Malagasy tokoa ny tena raha toa ka tsy misotro ranovola amin’ny antoandro. Ny hariva ihany koa dia mbola toraka izay ihany ary rehefa alohan’ny hatory dia mazava ho azy ihany koa fa mbola mila misasa ihany indray. Mbola rano ihany koa no ilaina na dia mila savony ihany koa aza. Raha hifindra sehatra indray isika ka hijery izany fitantanana ny tanàna, ohatra, dia filàna fototra ho an’ny mponina ny rano ary ahoana tokoa moa no hahatratrarana ny tanjona “tanàna madio” raha toa ka sahirana amin’io lafiny iray io.

Ohatra, iray tena nahagaga ny maro izao no nahafantarana fa paompy iray ihany no miasa ho an’ny fokontany Andravoahangy Atsinanana ato amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra izay ny 24 isan-jaton’ny trano fonenana ihany no manana fantson-drano manokana, izany hoe tsy mila mantsaka eny amin’ireny paompin-drano iraisana ireny. Raha izany no izy dia ny 76 isan-jaton’ny trano eto Iarivo izany dia tsy misy rano avokoa ary ny mpikambana tsirairay ao anatin’ny fianakaviana dia mandray anjara amin’ny fakana rano. Etsy andaniny, ireo fokontany be mponina, toy ny fokontany rehetra eto an-drenivohitra, ny fokontanin’Andravoahangy atsinanana no sady lalana fandehanan’ireo mponina hafa ivelan’ny renivohitra, indrindra ny avy amin’ny kaominina, distrika ary faritra atsinanan’Antananarivo. Araka izany dia mahatratra hatrany amin’ny hetsiny  maromaro isan’andro no mifamezivezy amin’iny toerana iny kanefa aloha ireo mponina ao dia efa sahirana amin’ny rano. Filaharam-be isan’andro araka izany ny fakana rano amin’io paompy tokana io ka mila mandany ora maromaro mihitsy fa mety ho ampy ny filana ao anatin’ny iray andro ho an’ny tokantrano iray. Raha mijery ny tanàna indray dia mazava araka izany fa lavitra io fokontany io ny fahadiovana satria dia maloto tokoa ny lakan-drano samihafa ary azo inoana fa mety ho vetivety ihany ny fiparitahan’ny valan’aretina raha izao no mitohy.

Amin’ny ankapobeny ho an’ny Tanànan’Antananarivo dia tsy nisy intsony izay tao anatin’ny 10 volana ny fanitarana ity sehatry ny rano ity satria tsy mbola naheno ny rehetra fa nisy paompy vaovao namboarina. Ary dia izay no tena mampalahelo ny mponina izay mandoa ara-dalàna ireo hetra takiana aminy isan’andro vaky. Tamin’iny volana iny izao dia nolazaina fa hatsaraina ny sehatry ny fitaterana amin’ny taxi-ville ary dia noterena tsy maintsy manao fizahana manokana na “contre-visite” ireto fiara ireto. Mazava fa vola hafa koa izay, izay tokony hiditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina, ankoatra izay efa voasoratra ao amin’ny tetibola nolanian’ny mpanolo-tsainan’ny tanàna. Ka raha izany no izy dia tokony hisy ny tamberin’andraikitra tanterahan’ny mpitantana ny tanàna, indrindra mahakasika ny fanalehibeazana ny sehatry ny rano ho an’ny fahasalaman’ny mponina. Rariny tokoa izany satria araka ny voalaza etsy ambony dia fototry ny aina ny rano. Indrisy anefa fa tsy izay no nasehon’ireto mpitantana vaovao ireto tao anatin’izay fotoana efa somary lavalava izay.

Araka izany dia mbola ho lavitra ihany ny fandrosoana, eny fa na dia ho an’ilay renivohitr’ilay Gasikara aza ary raha toa kosa ka paompy iray aza tsy vita tanatin’ny 10 volana dia inoana marimarina tokoa fa tsy hisy apoaka izany mandritry ny 4 taona.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre