Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Anjozorobe – Zaza telo very nanomboka tamin’ny alahady teo

Tranga tsy dia faheno loatra izy ity manerana ny nosy satria any ambanivohitra any, mbola kely ny ankizy dia efa za-dalana ary mahafantatra izao lalana manivaka rehetra izao hahafahana mamonjy ny tanàna. Tsy izay anefa no nitranga tany amin’ny fokontany Ambohimanarina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanetibe, any Anjozorobe any. Voalaza tokoa mantsy fa tsy hita nanomboka ny alahady 4 septambra lasa teo ny ankizy telo dia i Felana, 14 taona sy Soavola 6 taona ary i Vanya 5 taona. Naterin’ny renim-pianakaviana iray teny an-tsasa-dalana izy ireto mba hamonjy ny tranony avy satria tokoa zanak’olona samihafa monina amin’ny tanàna antsoina hoe Ambodibonara izy ireto, izay ao anatin’ny fokontany sy kaominina voalaza anarana etsy ambony tamin’ny 4 ora hariva, io andro io. Nanomboka teo anefa tsy hita intsony izay nalehan’ireto zaza kanefa efa somary lehibebe ihany ilay zokiny indrindra amin’izy ireo. Ny zandary ao amin’ny poste avancé Antanetibe Anativolo no manao ny famotorana ary mitohy ny fikarohana hatramin’izao fotoana izao.

Raha tsiahivina dia toerana somary avoavo ihany iny distrikan’Anjozorobe iny ary araka ny maha-aty afovoan-tany azy dia mangatsiaka tokoa, indrindra amin’ny alina sy ny hariva ary ny maraina. Efa ho andro maromaro izy ireto no tsy hita ary izay no mahakely finoana ny maro raha toa tokoa ka very ireto zaza ireto. Etsy andanin’izay, somary mifanalavitra ihany ny tanàna any ambanivohitra rehetra any ka tsy maintsy mandeha an-tongotra ora vitsivitsy mihitsy izay vao mahita trano ialofana. Ny tsy fandriam-

pahalemana ihany koa dia manjaka manerana ny faritra rehetra ary tsy misy toerana izay azo lazaina fa milamina afa-tsy ny lapam-panjakana angaha.

Araka izany, feno fanahiana tokoa ny ray aman-drenin’ireto ankizy ireto amin’izao fotoana izao.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre