Ambohidratrimo – Fahitana fatin’olona
Matetika faheno etsy sy eroa fa misy fatin’olona hita eny amin’ny lalana, tatatra na koa atsingevan’ny rano. Ny fanontanina dia hoe nisy namono ve sa koa namono tena. Mafy koa ve ny fiainana dia lasa mirongatra ny fanendahana miaraka amin’ny fandatsahana aina. Na koa mafy loatra ny onjam-piainana ka mamono tena. Maro ny zavatra azo lazaina fa vitsy ny mahalala ny tena marina.
Ny 6 septambra tokony ho tamin’ny 9 ora maraina iny dia nisy mpanarato izay nivoaka maraina nandeha nanao ny asa mahazatra azy, nahita zavatra nitsingevana teo aminy rano. Zavatra tsy fahitany moa eo amin’ny ranon’ Imamba fokotany Andriantany, ka nanatona ity farany. Akory ny hatairany raha nahita fa ity zavatra nitsingevana dia fatin’olona.
Nampandrenesiny ny mpitandrom-pilaminana ka natao ny fizahana ny razana. Lehilahy 40 taona izay atao hoe Rambolamalala Benny monina ao Morondava fokontany Antehiroka kaominina Ambohibao distrika Ambohidratrimo io hita faty io. Noheverina fa fanendahana no nanjo azy nefa dia mbola teny aminy daholo ny vola 814 400 ar sy ny taratasy momba azy rehetra. Rehefa nampilazaina ny fianakavian’ilay maty dia nilaza izy ireo fa efa tamin’ny 31 aogositra no tsy hita ity lehilahy ity. Noho izany tranga izany dia nidina teny an-toerana ny zandary avy any Ambohidratrimo sy ny dokotera. Rehefa vita ny fizahana dia tsikaritr’ilay dokotera fa nisy mangana ny tendany. Tao oarian’izany dia naverina tamin’ny fianakaviana ilay razana ary naverina azy ireo koa ny vola.
Volana S.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







