Fanafihana mitam-piadiana – Tovovavy miisa roa novetavetain’ireo jiolahy
Tsy milamina intsony ny tanàna eto an-drenivohitra. Tokantrano roa indray no lasibatr’ireo jiolahy teny Malaho-Ampanefy, faritra Atsimondrano, ny alin’ny Alarobia nanodidina ny mitrena ombilahy tany ho any. Tamin-kerisetra sy fomba feno habibiana no nanatanterahan’ireo olon-dratsy ny asa ratsiny satria tsy vitan’ny nalain’izy ireo ny vola sy ny fananana sarobidy rehetra fa mbola naolan’izy ireo tsy nananany antra ihany koa ny tovovavy kely miisa roa izay mbola tsy ampy taona akory ny iray. Ireto farany dia samy zanaky ny tompon-trano voatafika avokoa.
Raha ny vaovao azo dia nisy teo amin’ny 13 lahy teo ireo mpanafika ary nanao andiany maro. « Mbola tao anaty torimaso avokoa izahay ka tsy naheno na inona na inona. Rehefa namoha ny varavaram-be ireo jiolahy izay vao nikoropaka nijery ny zava-nisy. Efa tafiditra ny trano anefa ry zalahy. Famaky sy basy kilalao no noentin’izy ireo nampihorohorona anay », hoy ilay tompon-trano voalohany. Rehefa saika hanohitra ireo mpanao ratsy anefa ilay raim-pianakaviana dia voadaroka tamin’ny vy be ny lohany ary dia tsy nahatsiaro tena avy hatrany izy. Notetezin’ireo jiolahy amin’izay ny efitrano rehetra taorian’io. Ny zanak’ilay tompon-trano vavy kely tokony ho 12 taona izay niafina tao amin’ny efitranony moa dia nifandimbiasan’ireo jiolahy novetavetaina izay nojerem-potsiny satria voarahona avokoa ny iray trano. Ankoatra izany dia vola mitentina dimy alina sy roa hetsy ariary niaraka tamin’ny entana sy fitaovana lafo vidy no lasan’ireto olon-dratsy.
Rehefa avy nanafika tao izy ireo dia nifindra tamina tokantrano hafa indray izay an’ny mpiambina an’ity lasibatra voalohany ihany. Rehefa tsy nahita vola sy entana tao anefa ireo jiolahy dia ny zanaka vavin’ilay tompon-trano indray no nararaotin’izy ireo ka voaolana ihany koa. Tsy nijery fotsiny anefa ny rainy manoloana ny zava-nitranga ka iny izy andeha hanohatra iny no voakapan’ny famaky ny tanany. Araka ny vaovao azo ihany dia nitondra takaitra mihitsy ireto zazavavy kely voavetaveta ireto. Rehefa tafatsoaka ireo jiolahy vao iny tonga ireo Zandary. Rehefa nanadihady ireo tompon-trano ireto farany no nahitana fa hay basy kilalao ireo nampiasan’ireto olon-dratsy. Navelan’izy ireo tao an-trano manko ny famaky sy ny basin’izy ireo. Efa mandeha ny fikarohana.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







