Anosimasina – Tovolahy 30 taona maty notsatohan’ny vadiny ny antsy
Tovolahy iray vao eritreriny tokoa no nindaosin’ny fahafatesana novonoin’ny vadiny tamin’ny fomba feno habibiana tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, tamin’ny roa ambinifolo alina, ny alahady hifoha alatsinainy. Tao amin’ny fokontany Anosimasina Itaosy, kaominina Bemasoandro, Antananarivo Atsimondrano no niseho ny tantara, noho ny hatezerana tsy voafehy teo amin’ny adin’izy mivady. Tsindrona antsy in-telo teo amin’ny tendany havia sy havanana ary teo amin’ny masony no nahafaty azy. Avy niaraka nivoaka alina tamin’ny zaodahiny ity tovolahy ity ny alahady hariva. Rehefa nisaraka izy roalahy dia mbola nandeha nanatitra moto tany amin’ny Cité des Assureurs, izay tsy lavitra ny toeram-ponenany, alohan’ny handeha hody. Tezitra mafy ramatoa rehefa niditra ny trano ka niakatra ny feo ary niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana. Nahavoaray antsy izy tamin’izay ka tonga dia naletrany teo amin’ny tendan’ny vadiny. Ny zanany vavimatoa, izay zanany tamin’olon-kafa no nirahany nanary ny antsy tany amin’ny toeram-pivoahana.
Ny zanany vavy no niampanga azy
Rehefa maty ilay lehilahy dia lasa ity nahavanon-doza nankany amin’ny rafozany nitantara ny zava-nisy. Ny loza dia mbola nolazainy fa namono tena ity vadiny. Rehefa nandeha ny fanadihadiana ka tsy nety niteny ity nahavan-doza dia ny zanany vavy izay nanary ny antsy ihany no nilaza ny marina fa « I Neny no nanindrona antsy an’I dada ». Marihina fa efa niteraka telo ilay tovovavy talohan’ny niarahan’izy ireo ary dia nosoratan’ity tovolahy ity taminy avokoa ireo zana-badiny telo. Sady mbola mitoe-jaza efa akaiky ho teraka izy amin’izao fotoana izao. Vao tamin’ny taona lasa izy roa no nisoratra ara-panambadiana. Tranga efa matetika miseho ny adin’ireo mpivady satria dia fony izy ireo niaraka nipetraka tamin’ny ray aman-drenin’ity tovolahy maty ity no efa midaroka azy amin’izay voarain’ny tanany foana i razazavavy rehefa raikitra ny adiady ka lasa nifindra trano. Na efa noraran-dreniny aza ity tovolahy ity tsy hanaraka ny vadiny dia lasa ihany ka izao ny fatiny izao sisa no noraisina araka ny fitenenana. Izay efa nananan-dreniny tsindrimandry taloha ny nialany tao aminy. Tsy nitory moa ny fianakaviana fa ny fanjakana no nandray ny andraikitra ka efa nihidy vonjimaika eny Antanimora ilay tovovavy miandry ny fitsarana. Ny Ray aman-drenin’ilay tovolahy no naka ny zaza hitaiza azy ireo.
Safidy Andrianina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







