Mitobaka ny aretina !
Rehefa miaina lalandava anatin’ny tsy fahampian-tsakafo ny olombelona dia mazana mora andairan’ny tsy fahasalamana. Marina tokoa izany satria marefo ny vatana sy ny taova rehetra ao anaty ao ka tsy mahatohitra firy intsony ireo aretina, eny fa na dia ireo izay eritreretin’ny saina aza fa tsy dia manao ahoana loatra dia efa mampandamaka am-pandriana ny maro. Raisina, ohatra, fahiny, ny fanaviana sy ny sery ary ny aretina an-doha raha mbola tsara ny fitadidiana, dia vitan’ny mihosotra ranomena, na ihany koa dite ravim-boafotsy mafana tsara. Ny ranomena sy ny ravim-boafotsy dia vidiana eny an-tsena rehetra eny ary raha ho an’ny mponina ambanivohitra dia tangosana eny an-tsaha rehetra eny ilay ravinkazo ka tenehina dia milamina, ary tamin’izany andro izany tsy nisy lakozia tsy nahitana azy ity mihantonkatona eny. Tato aoriana kely, nozarina handray fanafody pilina ny ankizy, toy ny aspirine izany, na ihany koa ny flavoquine ka nahavitan’ny tarika Njila hira mihitsy moa ity karazam-panafody iray ity. Ekena kosa aloha fa ny dite ravim-boafotsy dia mbola teo ihany, eny fa na dia efa nisisika mafy hojifain’ny mpividy aza ny dite sahambavy, izay tsara ihany koa no sady manentoento mafy ery. Fa ankoatra izay, nozarina ihany koa ny kilonga hihinana nivaquine isan-kerinandro tany an-tsekoly, mba hoentina hiadiana amin’ny tazomoka hono izany. Ny tena moa mbola zaza ka tsy mahafantatra na inona na inona ka rehefa tonga ny fotoana fihinanana azy dia somary kivy ratsy ihany tamin’izany satria mangidy be tsy telina ity fanafody iray ity. Ekena ihany koa aloha tamin’izany andro izany fa tsy lavorary ny sakafo, ary matetika aza no manao sakafo ambany foitra, tonga amin’ilay fitenenana hoe : « mitsaha-tsy voky » !
Azo lazaina fa nahavita nanohitra ireo aretina azo lazaina fa madinidinika voalaza etsy ambony ireo ireo ankizy tamin’izany fotoana izany ary an-kavitsiana foana, azo isaina amin’ny rantsan-tanana izany kilonga nodimandry noho ireo aretina ireo izany. Tsaroantsika fa tao anatin’ny folo taona mahery izay dia nankalazaina indray ny fampiasana ny lay misy ody moka rehefa matory amin’ny alina ary fitaovana iray tokoa izy ity nentina niady tamin’ny fandripahana ny aretina « paludisme » na ny tazomoka izany ary dia an-tapitrisany marobe ny lay nozaraina hatreto. Raha izay rehetra izay no itodihana vetivety, nisy tokoa ny ezaka nataon’ny firenena malagasy mba hiarovana ny vahoaka ao aminy. Saingy ankehitriny, ny zava-mitranga rehetra dia sahala amin’ny manondro ihany ny … « aza mba voany » ! Nahoana angaha hoy ianao ?
Raha ireto aretina madinidinika voalaza etsy ambony ireto no resahina dia mety mahafaty tokoa amin’izao fotoana izao. Maro no efa nandre fa hoe nanavinavy teo i Ranona dia lasa any amin’ny varo-tsy mifody, na ihany koa hoe nilaza narary an-doha izy dia izay. Ireo seriserena moa dia misoratra eny amin’ny tarehiny ary hamafisina ny fihetsiny fa tena voa mafy tokoa. Andaniny aloha dia toa zary lasa matanjaka be ka mila tsy ho voatohitra mihitsy ny aretina misy amin’izao fotoana izao. Mety marina fa ny antony fiovaovan’ny toetrandro no mahatonga izany satria dia maloto ny rivotra iainana sy ny tontolo manodidina rehetra. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny hery avy amin’ny vatan’olombelona enti-manohitra noho ny antony tsy fahampiana ara-tsakafo. Mety hilaza ihany koa ny manam-pahaizana fa vokatry ny fandraisana fanafody etsy sy eroa tsy mandalo fizahana izany.
Ny azo antoka aloha dia mikorontana tanteraka ny rafi-pahasalamana eto amintsika ka raha miditra hopitaly ianao, hanao fizahana amin’ny aretina an-doha dia mety hivoaka eo ao anatin’ny vatam-paty. Ny zava-mitranga eny amin’ny tobim-pahasalamana lehibe ireny tokoa, izay raha tsiahivina fa natao ho an’ny vahoaka tsy mandady harona, dia resa-bola no manjaka. Raha sendra ny voina tampoka, ohatra , toy ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe, ka tsy maintsy mila fizahana maika dia mila miomana amin’ny vola aloha izany ny marary sy ny mpanaraka azy satria dia taratasim-panafody lava be no mivoaka avy any amin’ireo mpitsabo. Mazava anefa fa tampoka no mahazo ka aiza no ahitana ny vola ary iza ireo lazaina fa mpanaraka marary eo ? Sarotra ihany mantsy izany hoe hitondra vola be mandehandeha lava izany amin’izao fotoanan’ny tsy fandriam-pahalemana izao. Toy izany koa raha misy ny fandidiana na ihany koa fanarahana fitsaboana tsotra ihany. Very fanahy mbola velona araka izany ny tsy salama ka maro no misafidy ny hitahiry ny aretina mahazo azy any an-tokantranony any, no sady raha toa ka tsy maintsy handao ny tany ihany dia aleo mba hapetraka ho an’ny fara amam-dimby ny tahiry kely raha misy izany, sy ireo tanimbary ary ny trano be !
Etsy andaniny, maro ihany koa ny tsy matoky intsony ny mpitsabo eto amintsika, izay toa sahala amin’ny milalao ihany ny fahavoazan’ny hafa. Mazava araka izany fa mitobaka tsy hita velively ny aretina eto amintsika ary azo lazaina fa mahakasika ny isam-baravarana eto amin’ny nosy mihitsy izany. Handeha tokoa ange handodona any amin’ny tokantrano tsirairay any dia ho hita fa voamarina izany.
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







