Betsiaka – Trafikana lavanila
Manan-karena amin’ny harena voajanahary i Madagasikara ary anisan’izany ny lavanila. Mitana ny laharana voalohany amin’ny asam-pamokarana azy io isika Malagasy, ary asam-pihariana tena mora azahoana tombony tokoa. Tsy mahagaga raha maro ireo te hanan-karena haingana no mirona amin’io asa famokarana sy fanondranana lavanila io. Na eo aza anefa izany dia misy ny fepetra tokony harahina nefa misy ireo izay tsy te hisasatra ka manao trafika. Araka izany ny 7 septambra 2016 tokony ho tamin’ny 01 ora sy 30 minitra antoandro, nisy trafika saron’ireo polisy. Fiara tsy mataho-dalana iray avy any Antalaha no tratran’ny zandary avy ao amin’ny tobin’ny zandarimaria ao Betsiaka, nitondra lavanila milanja 1000 kg. Rehefa natao ny fisavana dia olona 6 no tao anatin’io fiara io ary tsy nisy taratasy mazava manamarina ny fitondrana ny entana teny amin’ireo olona nitondra azy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nilaza ireo enin-dahy ireo fa misy taratasy fahazoan-dalana nosoniavin’ny lehiben’ny distrikan’ny Mananara-avaratra any amin’izy ireo. Marihana fa tamin’ny datin’ny 07 septambra io taratasy io, ka nahamailo ny zandary izany. Noho izany nanontaniana ny tompon’andraikitra dia hita fa hosoka ilay taratasy. Marihina moa fa avy any Mananara-avaratra io lavanila io ka sambo no nitondrana azy tao Antalaha ary saika halefa any Ambilobe. Misokatra ny famotorana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







