Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Lozam-pifamoivoizana tany Foulpointe – Zaza 4 taona naratra mafy

Na somary tsy dia tsara loatra aza iny lalam-pirenena 5a iny, izay mampitohy an’i Toamasina amin’ny faritra avaratry ny faritany, izany hoe mipaka hatrany Maroantsetra ka mandalo an’i Soanierana Ivongo, dia misy ihany ireo mpamily milaza azy ho za-dalana ka mandeha mafy hatrany. Ny tsara homarihina amin’iny lalana iny aloha hatreto dia hatreo Soanierana Ivongo ihany no voarakotra tara. Raha iverenana ny zava-nitranga tao Foulpointe dia teo anoloan’ny fivarotana Telma shop tao amin’ity tanàna ity no niseho ny lozam-pifamoivoizana. Ity toeram-pivarotana ity dia mazava ho azy fa ifamezivezen’ny olona maro tokoa satria be mpanjifa ny vokatra Telma, indrindra fa mbola betsaka ireo maka rivotra any amin’ity toerana ity amin’izao fotoana izao. Nirimorimo avy any ary ity fiara mazda iray ity ary nahavoadona zazalahy kely iray izay vao efatra taona monja rehefa nandalo ny toerana voalaza etsy ambony. Naratra mafy tokoa ilay zaza ary tsy maintsy nalefa any amin’ny toeram-pitsaboana tao Foulpointe ihany aloha. Ilay mpamily kosa tsy maintsy notazomin’ny zandary ao amin’io tanàna io ihany hatao famotorana.

J.L.R

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre