Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Antsohihy – Folo monja ny mpiasa Ecd mpikambana CNaPS

Betsaka no ivelan’ny valan’ny fiahiana ara-tsosialy any amin’ny faritra Sofia noho ny antony maro. Sampan-draharaham-panjakana : 15 539 monja ireo mpiasa Ecd voasoratra mpikambana eny anivon’ny tahirim-pirenena.  Antony voalohany ny tsy fahampian’ny toe-bolan’ny Kaominina ka mahatonga azy hanao vaindohan-draharaha ny fanefana ny karaman’ny mpiasa fa tsy ny latsakemboka CNaPS hany ka dia very zo ny mpiasa. Hatreto dia 15 539 monja ireo mpiasa Ecd voasoratra ao amin’ny faritra sofia. Ho an’ny Kaominina Ambonivohitra Antsohihy manokana dia miisa 10 ny mpiasa Ecd ary isaka ny misy grevy ataon’ny mpiasan’ny Kaominin’Antsohihy dia isan’ny takian’izy ireo ny zony amin’ny CNaPS.  Ho an’ny faritra Sofia manokana dia vao tsy ela akory ny lehiben’ny faritra Sofia Andriamatoa Zaranaina Tohanaina Ernest no nandoa 10 tapitrisa ariary izay trosa latsakemboky ny mpiasa Ecd eo anivon’ny faritra iadidiany. Nanatona ireo orinasam-panjakana sy biraom-panjakana ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy mba hamahana ny olana. Koa natomboka tany Antsohihy ny alakamisy 07 septambra izay atrikasa izay ka nifarana tamin’ny zoma 09 septambra teo. Taorian’ny atrikasa dia samy notolorana mari-pankasitraha ireo rehetra nandray anjara tamin’ny atrikasa.

 

Mpampianatra Fram

Miasa amin’ny sampan-draharaham-panjakana samihafa izy ireo, ao ny birao, ny Kaominina, ny Fivondronana ary ny Faritra. Antony iray ary olana goavana ny ara-politika. Mbola maro mantsy ireo kaominina sy rantsa-mangaikan’ny fanjakana mbola mampiasa Ecd izay manana  latsakemboka tsy voaloa ary mazava ho azy fa tsy mahazo ny zony ilay mpiasa  indrindra ireo mpampianatra Fram. « Ho an’ireo mpiasa Ecd sy mpampianatra Fram lasa mpiasam-panjakana raikitra (na « fonctionnaire integré ») dia tsy very akory ny latsakemboka naloany teny anivon’ny CNaPS. Misy ny fiaraha-miasan’ny CNaPS sy ny ministeran’ny teti-bola ka ilay latsakemboka naloa dia alefan’ny CNaPS mankany amin’ny Tahirimbolam-panjakana » hoy Rasamizafy Marc, talen’ny Masoivoho CNaPS Antsohihy. Izay ilay antsoina hoe « transfert de cotisation ». Misy ny antontan-taratasy alain’ilay mpiasa eny anivon’ny  CNaPS ary itsy farany no mamindra ilay latsakemboka mankany amin’ny ministeran’ny teti-bola sady mampahafantatra raha efa lasa ny vola.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre