Fanafihana fiara – Vehivavy miisa roa naolan’ny jiolahy
Efa ho ny lalam-pirenena rehetra mihitsy amin’izao no iharan’ny fanakanana fiara, na majinika izany na kamiao indrindra ny taksiborosy. Raha toa ka nangingina tao anatin’ny volana maromaro ny fanafihana teny amin’iny lalam-pirenena faha-43 iny, izay mampitohy ireo Kaominina maromaro mandrafitra ny Distrikan’i Faratsiho, ny lalam-pirenena fahefatra sy fahafito indray izao no ataon’ny jiolahy mitondra faisana. Efa mananika hatrany Vakinakaratra mihitsy aza ireo mpanafika fiara no manao ny asa ratsiny. Ny alarobia maraina lasa teo manko dia fiara tsy mataho-dalana iray indray no voasakana andian-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika rehefa nandalo teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Antsampandrano, Kaominina Ambohibary ao anatin’ny Distrikan’i Faratsiho. Tamin’ny valo ora alina teo no niseho ny loza ary vato ngeza maro no nabahan’ireo jiolahy ny lalana mba tsy hahafan’ilay fiara mitsoaka. Tifitra variraraka avy hatrany no nataon’ireo jiolahy rehefa nitaratra ny jiron’ity fiara. Tsy maintsy nijanona araka izany ilay mpamily ka teo no nanararaotan’ny jiolahy nanao taingim-bozona. Araka ny vaovao voaray dia nasain’ireo olon-dratsy nivoaka ny fiara ireo mpandeha miisa sivy izay noteren’izy ireo namoaka izay tao am-paosiny niaraka tamin’ny firavaka rehetra. Ny daroka sy ny vono ary ny teny ratsy manginy fotsiny tao anatin’izany. Vokatry ny fikasihan-tanana dia olona miisa dimy no naratra mafy ary tsy nionona tamin’ny fanendahana ireo jiolahy fa mbola novetavetainy ihany koa ny vehivavy miisa roa. Tsy nisy henatra intsony fa teo imason’ny mpandeha rehetra no naolan-dry zalahy tamin’ny fomba feno habibiana ireto farany. Naratra mafy avokoa ireto tovovavy niharan’ny fanararaotana ireto. Tanam-polo sisa no tavela ary vola mitentina efatra hetsy teo ho eo no lasan’ireo jiolahy ankoatra ny firavaka lafo vidy sy ny finday miisa 16. Ireo lasibatra moa dia nody any Antsirabe rehefa nahazo fitsaboana tao amin’ny Polyclinique Antsirabe. Ny ampitson’ny loza ireo mpitandro filaminana vao naharay antso ary dia nanao fisafoana teny amin’ny manodidina avy hatrany. Tsy nahitam-bokatra anefa izany. Raha ny voalazan’ireto farany dia mety ireo jiolahy efa mpamely eny amin’iny toerana iny ihany ireo nahavanon-doza ka tsy maintsy hokarohina.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







