Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Ankombe – Trano miisa 54 ravan’ny afo, 700 isa no traboina

Haitrano mahatsiravina indray no nitranga tany Ankombe, Kaominina Antandrokomby ao anatin’ny Distrikan’Anosibe an’Ala ny alarobia antoandro lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora. Ravan’ny afo tsy nisy noraisina intsony niaraka tamin’ny entana rehetra tao anatiny ny trano miisa 54. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra tamin’izany saingy tsy nisy azo navotana kosa ny fananana rehetra hany ka olona maherin’ny 700 isa no traboina tsy manan-kialofana amin’izao fotoana izao. Raha ny voalazan’ny manodidina dia afo ratsy ambina tao amina tokantrano iray no nahatonga ny fahamaizana. Rehefa avy nahandro sakafo mantsy ny renim-pianakaviana iray dia namono ny afon-tsaribao ary nivoaka ny trano. Tsy maty tanteraka anefa ny afo ka niparitaka eraka ny lakozia ary may avy hatrany ilay efitra fandrahoana sakafo, noho ny fisian’ny bozaka maro niparitaka tao. Fotoana vitsy monja dia niparitaka ny lelan’afo ka nitarika ny fahamaizan’ny trano iray manontolo. Soa ihany anefa fa tsy mbola nisy olona tao an-trano. Rehefa nahita ny setroka be ny fokonolona dia nikoropaka sy nifamonjy namono ny afo saingy tsy nisy dikany izany satria tsy ampy ny fitaovana teo am-pelatanana no mbola lavitry ny rano ihany koa ilay tanàna. Tao anatin’ny minitra vitsy monja dia nifindra tamin’ireo trano hafa nifanila vodirindrina taminy ny afo ka efa saika ny an-tsasa-manilan’ny tanàna iray manontolo no kila forehitra. Lasa lavenona avokoa noho izany ny vola, ny entana eny hatramin’ny voly tahiry izay nangonina. Very fanahy mbola velona ny mponina ary eritreretina fa tafiakatra hatrany amin’ny zato tapitrisa ariary na mahery aza ny totaliben’ny entana kilan’ny afo nandritra ny loza. Tonga teny an-toerana ireo zandary rehefa nahare ny loza. Ny hany mba azon’ireo natao dia nanampy ny fokonolona tamin’ny fanadioavana ny tanàna. Tsy fitandremana ary ve sa loza efa ho avy ?

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre