Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Nivoaka ny marina !

Zendana ny rehetra raha nahalala tamin’iny faran’ny herinandro iny fa hay moa izany misy didy avoakan’ny kaominina Antananarivo renivohitra ao ka tsy maintsy mandalo ny filan-kevitry ny tanàna dia afenimpenina any aloha ka rehefa hifarana ny fivoriana dia izay vao apoitra ka lanian’izay tratra farany eo.

Ny tiana resahina eto dia ny fanambarana nataon’ny mpanolo-tsainan’ny tanàna Lalatiana Ravololomanana tamin’ny zoma fa raha ny mikasika ny famindrana tany eny Andohatapenaka iny dia tsy voasoratra hodinihina tanaty fivorian’ny filan-kevitry ny tanàna iny ka rehefa tonga ny fotoana hahataperan’ilay fivoriana izay naharitra andro vitsivitsy dia nolazain’ny mpitarika ny fivoriana fa misy fanapahana hafa tsy maintsy mbola hatao. Ary dia lany, na ny marimarina kokoa, nolaniana soa aman-tsara izao ilay izy, tsy nisy na dia iray minitra akory aza mba tokony handinihina tsara ny mety ho fiantraikany ao aoriana. Raha izany tokoa no marina dia tena misy mihitsy izany eto mpitondra, eto moa izany dia mpitantana tanàna no resaka kanefa mbola haverina indray ve fa ny renivohitr’ilay firenena no resahina. Tena manao kitoatoa ny andraikiny ary tsy miraharaha mihitsy ny fiainam-pirenena sy ny hoavin’ilay Gasikara. Raha miresaka izany renivohitra izany mantsy, na firenena aiza io na aiza, dia izy aloha no fitaratra voalohany ho an’ny maso avy any ivelany kanefa maro na teratany na vahiny no manodina ny lohany na manakipy ny masony mihitsy aza raha vao tafiditra eto Antananarivo. Ny fehiny dia tanàna tsy mahatamàna no hita amin’ny lotony isan-karazany ka manomboka eny am-povoan-tanàna izany ka hatrany anaty elakelan-trano rehetra any. Eo Analakely ohatra fako be isaka ny iray metatra diavin’ny tongotra na amin’ny vao maraina na ihany koa amin’ny hariva sy ny alina, ankoatra ny fofona diky manempotra sy mampandositra ny maro. Etsy andaniny dia ireto tsy manan-kialofana mameno ny arabe sy ny sisin’arabe ka mila itandremana daholo ny asiana ny tongotra sy ny paosy ary ny sakaosy. Ankoatra izay ihany koa ny mpisam sy ny mpanendaka ary ny mpanao sinto-mahery, eny fa hatramin’ny … « mpividy volamena » ka raha vao varimbariana fotsiny ny tena dia atao veloma na poketra na telefonina ary ny taratasy maro isan-karazany. Any anaty elakelan-trano any dia ny fofona dalle tsy misarona sy lalana fivoahan’ny rano maloto misokatra ihany koa no mitsena ny mpandeha an-tongotra. Ny fofona ihany koa aloha dia fanampiny fotsiny ihany kanefa ho an’ireo sarontsarotiny amin’ny fitaovam-pisefoana dia mitondra aretina mody, fa ny tena zava-dehibe dia ny fotaka mainty miharo rano maloto izay mety hianjeran’ny tena raha toa ka tsy mitandrina firy. Etsy ankilan’izany rehetra izany, ny fifamoivoizana izay mampiteny ny moana mihitsy eto Antananarivo kanefa tsy mifidy ora. Marina tokoa izany fa na vao maraim-be amin’ny 6ora aza dia efa mitohana ny fifamoivoizana raha toa ka taratara kely vao tafavoaka ny trano dia eritreretina ho ora maromaro mihitsy vao mety ho tonga amin’izay aleha. Izay ilay renivohitr’ilay Gasikara tiana resahina eto raha ireo tranga vitsivitsy noresahana etsy ambony ireo dia efa mitaky andraikitra sahady amin’ny mpitantana ny tanàna. Raha ho an’ireto niverina eo amin’izany toerana izany indray amin’izao fotoana izao dia hita mihitsy fa tsy hita aloha izay vitany tao anatin’ny herintaona nahateo azy izay. Izay koa no ilazana fa tena manao kitoatoa mihitsy ireto farany ireto ary tena marina izany satria maro ny fiantraikan’ny fanapahana iray izay tsy  voahevitra sy tsy voadinika. Isan’ireny, ohatra, ny fanomezana ny fitantanana ny fiantsoan’ny fiarakodian’olon-tsotra ho an’ny orinasa tsy miankina iray, izay fepetra tena nampikaikaika ny mponina tokoa. Nakarin’ity orinasa ity ho avo roa heny sy tapany ny saram-piantsonana kanefa ny fahefa-mividin’ny mponina vao mainka miha milentika. Aoka anefa hazava fa vonona amin’izany ny rehetra rehefa misy ny fifandresen-dahatra raha toa tokoa mety hahatsara ny tanàna izany. Hatreto aloha, izany  hoe sivy volana taorian’io fepetra vaovao io dia tsy hita ihany koa izay zava-bitan’ireto mpitantana satria mbola ny fanjakana no manamboatra ny arabe, indrindra ireo izay tafiditra ao anatin’ny tetik’asan’ny filoha, fa ny ambiny dia hitan’ny maro fa nofenoina tany mena sy vovo-bato izay lavaka rehetra eny amin’ny arabe. Dia izay izany angamba no tambin’ilay fanondrotana ny saram-piantsonana ho avo roa heny sy tapany io ! Mazava aloha ny vokany fa raha vao milatsaka dimy minitra fotsiny ny orana dia ho lasa heniheny amin’ny fotaka mena ny arabe rehetra eto an-drenivohitra. Izay ihany koa ilay lazaina etsy ambony fa tsy miraharaha mihitsy ny ho avy satria raha ilay fanapahana momba ny hanaovana fametrahana fiara maty eny Andohatapenaka dia tsapa avy hatrany fa tetika hafa mihitsy no tiana hatao eto.

Soa izany fa vaky bantsilana teo ny fomba fiasa sy ny hevi-petsy rehetra saika hatao ary dia fahafaham-baraka mihitatra toy ny sima misioka no azon’ilay rangahy iny raha nanangan-tsandry ny alatsinainy lasa teo satria dia nivoaka daholo ihany ny marina rehetra momba an’io tany io. Raha ny mpanoratra aloha no eo amin’ny toerany dia aleo somary mangingina kely satria toa mbola ho ela ihany ny vanim-potoanan’ny fifidianana satria isaky ny herinandro izao dia toa ahitàna raharaha foana!

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre