Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Mahajanga – Mpiala sasatra telo mianaka nisy naka ankeriny

Efa tsy azo antoka intsony ny fiarovana ny ain’ny mpitsangatsangana ao Mahajanga. Tantara nampitsangam-bolo  ny zava- niseho ny harivan’ny alakamisy lasa teo. Telo mianaka avy naka rivotra tany amin’ny toerana antsoina hoe « Petite plage » no saika halaina ankeriny. Raha ny fantatra dia mety ho resaka hala-taova no mety ho ao ambadik’izao resaka izao. Manahirana tokoa ny fakana taksibe mody avy any amin’ity toerana ity rehefa hariva ny andro ary voatery miandry ora maro tokoa vao afaka any.

Raha iny nandeha an-tongotra iny ireto fianakaviana kely dia nisy fiara tsy mataho-dalana nijanona tamin’ny tandrify azy ireo rehefa  nanomboka tafiditra ny tanànan’i Mahajanga, amin’iny Anosikely iny. Raha ny fitantaran’ilay renim-pianakaviana dia tamin’ny fomba faran’izay tsotra tokoa no namitahan’ireto paka ankeriny azy telo mianaka. Mody niantrany ka niangaviany mba hiakatra tao anaty fiara rehefa avy nanotaniany ny toerana hodian’izy telo mianaka.

 

Ny mpiambina  no nanavotra azy ireo.

Rehefa tonga teo amin’ny bazar Tsaramandroso izay efa tsy lavitra fa telonjato metatra miala ny salala hôtel dia niteny ny iray tamin’izy roalahy fa hividy zavatra vetivety ao amin’ny bazar Mahabibo. Nanomboka gaga ramatoa ka niteny sady nanondro ny trano fandraisam-bahiny misy azy, mba haterina vetivety satria efa akaiky. Namaly ilay olon-dratsy fa tsy ho ela. Niandry ampitoniana tao anaty fiara tokoa ireto tsy manan-tsiny. Tonga ireto olon-dratsy avy hatrany dia namelona fiara nihazo ny lalam-pirenena fahefatra. Vao nanomboka nanontany ilay renim-pianakaviana avy hatrany dia notapenan’ireo olon-dratsy ny vavany ka noentin’izy ireo tany amin’ny trano mavokely, izay misy rihana maromaro. Ny mpiambina ilay tanàna no niantra ka nampanantena fa hamotsotra azy ireo rehefa alina ny andro.  Rehefa nilentika ny masoandro ka variana tany amin’ny efitra ambadika ireto olon-dratsy sy ny mpiambina namany dia nalefany izy telo mianaka. Avy hatrany dia nizotra nakany amin’ny manam-pahefana ny zoma hifoha sabotsy maraina. Efa eo ampelatanan’ny manam-pahefana moa ny raharaha ka tsy maintsy hivoaka ny tena marina mikasika ity raharaha ity.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre