Soavinandriana – Olona telo takalonaina, omby an-jatony no lasa
Tsy milamina intsony ny tanàna ary miha mirongatra izay tsy izy ny fanafihan-dahalo. Tsy ireo vahoaka any atsimo ihany no ataon’ireo dahalo mitondra faisana amin’izao fotoana izao fa ireo fokontany mandrafitra ny distrikan’i Soavinandriana ihany koa. Tanàna iray antsoina hoe Tsiamalimamo, Fokontany Ambatolampikely, Kaominina Tampolana tao amin’io faritra io indray mantsy no niharan’ny fanafihan-dahalo ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo malaso, izay efa maherin’ny 40 lahy ka nanafika sy nampihorohoro ny iray tanàna. Vokatry ny fifandonana dia maty tamin’izany ny miaramila iray antsoina hoe Razafimandimby Norbert ary fokonolona miisa telo no nentin’ireo malaso natao takalon’aina.
Basim-borona sy lefona no nentin’ireo mpanafika ka tsy nisalasala akory ireto farany nively ireo fokonolona izay sahy nanakana azy ireo tamin’ny asa ratsiny. Notetezin’ireo dahalo araka izany izay toerana rehetra nisy omby ary efa ho an-jatony no lasan’izy ireo tamin’izany. Mbola nazava anefa ny andro tamin’io fotoana io ka nirotsaka an-tsehatra ny amin’ ny fiarovana ny tanàna sy ny fananany ny fokonolona ka teo no nangalany olona telo natao takalon’aina. Ireto farany dia nofatoran’izy ireo ary notereny hanaraka azy. Rehefa nahare izany ireo zandary avy any Ambatoasina sy Mahavelona dia niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia. Betsaka loatra ireo dahalo ka tsy maintsy nanampy ihany koa ny miaramilan’ny Das sy ny Ensoa Antsirabe. Hita avy hatrany moa ny niafenan’ireo olon-dratsy ka niroso tamin’ny fanafihana izy ireo ary dia raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Lavo tamin’izany ny iray tamin’ireo miaramila ireo rehefa nahatafavotsotra ireo fokonolona telo teo am-pelatanan’ireo jiolahy. Ankoatra ny halatr’omby dia faritra mena malaza amin’ny fanakanan-dalana sy ny fanafihana mitam-piadiana ihany koa iny faritra Itasy iny.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







