Fiangonana FLM – Amin’ny alarobia no hofantatra ny filoha vaovao
Niantomboka tamin’iny herinandro lasa iny ny komitin’ny sinoda lehibe ho an’ny fiangonana loteriana eto amintsika, tonga nanotrona izany ny filoham-pirenena am-perin’asa Hery Rajaonarimampianina omaly alahady ka nanolotra vola 4 tapitrisa ho an’ny fikarakarana izay ataon’ity fiangonana mpikambana ao amin’ny fivondronan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (Ffkm) ity. Mandritra ity komitin’ny sinoda lehibe ity no ho fantatra izay mpitarika voalohany eo amin’ny finoana loterana eto amin’ny nosy ary tsy nilatsaka hofidiana intsony ny dokotera Rakoto Endor amin’ity indray mitoraka ity. Izay filoha vaovao eo no hitarika ihany koa ny Ffkm manomboka ny taona ho avy io satria dia anjaran-dry zareo fiangonana loterana indray izany rehefa vita miaraka amin’ny taona 2016 ny an-dry zareo anglikana. Raha izay fanisana tsotsotra izay izany no arahina dia ny Eglizy katolika romana no hitantana amin’ny taona 2018.
Fa raha iverenana ity komitin’ny sinoda lehibe ity dia nambaran’ny filohan’ny Fiangonana Loterana mbola am-perin’asa ihany koa, ny dokotera Rakoto Endor Modeste izany fa « tsy misy idiran’ny politika ny fivoriana » ataon’izy ireo fa tena niompana amin’ny asan’ny Fiangonana tokoa. Handeha hisotro ronono aorian’ity fivoriam-be ity izy, ka ny alarobia ho avy izao no hofantatra izay handimby toerana azy. Anarana telo no fantatra hatreto fa ho kandidà ho filohan’ny FLM, dia ny filohan’ny sinodam-paritany Antananarivo Pastora Rakotonirina David, ny filohan’ny sinodam-paritany Afovoany, Pastora Dieu Donné Randrianirina ary ny Sojaben’ny fakioltean’ny teôlôjia SALT Ivory Fianarantsoa, Dr Pastora Lotera Fabien.
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







