Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Vaky ny Zomba ao Beriketa – Nisy nangalatra ireo Dady sy ny vakoka tao

Loza inona ity ? Nisy namaky ny alin’ny alarobia 7 septambra 2016 ny Zomba ao Beriketa, Kaominina Mafaijijo Distrikan’i Maintirano. Very tamin’izany ireo fitaovana tranainy izay fampiasan’ny mpanjaka taloha tao sy ny telo tamin’ireo Dady (ireo taolambalo diovina rehefa Fitampoa) efatra mipetraka ao dia Ndramandakoarivo, Ndramangovitsiarivo ary Ndramahatindriarivo. Vehivavy ity farany. Navelan’ireo mpamaky trano kosa ny Dady Ndramifefikarivo. Ankoatra ireo dia very avokoa ny volamena sy ny volafotsy.

Raha jerena, hoy ny loharanom-baovao avy ao an-toerana dia faladian’olona kely no hita tao amin’ny valamena, nanatanteraka iraka. Novakiany ny rindrina izay tany, avy eo nosokafany ny varavarankely namoahana ireo vakoka tao. Ny mahagaga dia tsy nalainy ny basy iray lava izay isan’ny vakoka. Fifanojoan-javatra fotsiny ihany koa sa misy ifandraisany, fa fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Tatahafa Lahimandakotsifolaky, lehiben’ny Faritra Melaky taloha (2009 – 2013), isan’ny taranaka Ampanjaka avy eto Melaky no hita fa vaky ny Zomba. Nilamina ny tanàna, nangina ny asan-dahalo tamin’izy lehiben’ny Faritra Melaky. Misy ihany koa ny mitady vilany sy lakolosy ireny mihaodihaody amin’iny faritra Melaky iny amin’izao ka isan’ny ahiahiana ho tao ambadik’ity fandrobana Zomba ity ary arahi-maso.

J.L.R

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre