Dabolava – Miandrivazo – Vadin’ny Ben’ny tanàna maty notafihan’ny jiolahy
Fanafihana efa tsara omana, izay no azo ilazana ity tranga izay niseho ny alin’ny sabotsy lasa teo tany amin’ ny kaominina Dabolava, distrikan’ i Miandrivazo ity. Ny Ben’ny tanàna tao amin’io toerana io no lasibatra ny jiolahy mitam-piadiana mahery vaika tao amin’ny trano fonenany izay tranombarotra fivarotana zava – pisotro ny ao ambany. Araka ny vaovao azo dia efa nihaodihaody teo amin’ny manodidina ihany ireo mpanao ratsy ireo izay tsy fantatra satria toy ireny mpividy entana tsotra ireny ihany. Rehefa hanidy tsena anefa ilay mpivarotra no nirotsaka an-tsehatra ireo jiolahy ary nanambana avy hatrany tamin’ny basy sy nandrahona ny hitifitra raha tsy mamoaka ny vola rehetra ao am-pivarotana. Mpanampy iray araka izany no naratra mafy rehefa notifirin’ireo mpanao ratsy ary olona telo hafa no voavelin’ny tavoahangy ka naratra ihany koa teo amin’ny faritry ny lohany. Tsy vitan’ny naka vola ireo jiolahy fa mbola noraofin’ izy ireo ihany koa ny entana isan-karazany tao amin’ io tsena io. Tifitra variraraka no fomba nitsoahan’ireo jiolahy ka teo no nahavoatifitra an’ilay vadin’ ny Ben’ ny tanàna izay maty tsy tra-drano avy hatrany. Fotoana vitsy taty aoriana vao tonga ireo mpitandro filaminana izay efa tsy afaka nanao na inona na inona intsony.
T.A.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







