Novonoin-dramatoa ny vadiny – Niditra teo amin’ny hatony ny antsy ary nivoaka teo amin’ny tendany
Tsy vao voalohany izao tranga mahatsiravina izao no niseho fa efa matetika mihitsy. Tsy ny lehihahy irery intsony ankehitriny no afaka manangan-tsandry ao an-tokantrano fa efa maro ireo vehivavy izay efa tena sahy mamono ny vadiny. Maro amin’izy ireo aza no tena mahavita mandatsaka ny ain’ny rain-janany. Tranga mampalahelo no niseho teny Ambohidratrimo ny alahady alina lasa teo. Rangahy iray no naratra mafy vokatry ny tsatok’antsy nataon’ny vadiny taminy. Araka ny vaovao azo dia teo amin’ny hatony no niditra ny lelan’atsy ary nivoaka tany amin’ny faritry ny tendany. Niomana ny handeha hiandry faty sy hifampitaritarika hiaraka amin’ny namany rangahy no tsy navelam-badiny hivoaka ny trano. Mbola nikiry biby ihany anefa rangahy ka dia raikitra ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Rehefa tsy nety nalamina ilay raim-pianakaviana dia nanapa-kevitra ny haka antsy tena maranitra tao an-dakozia ramatoa ka iny izy handingana ny varavarana fivoahana iny indrindra no nolerany ny antsy avy ao ariana ny vadiny. Izany tokoa ilay mamely tampoka ka dia potraka an-tany tsy nahatsiaro tena avy hatrany ilay rangahy. Taitra ary nanenina noho izany nataony izany ramatoa ka niantsoantso vonjy teo amin’ny manodidina ary dia nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany ilay naratra ary soa fa nalaky tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana ity farany raha tsy izany dia nafoy hatramin’ny aina. Araka ny voalazan’ireo mpitsabo faritra tsy nahafaty no voatsindrona. Tsy ahiana noho izany ny toe-pahasalaman’ilay raim-pianakaviana ary avotra soa aman-tsara ny ainy.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







