Alaotra – Tovolahy 15 taona zatra mangalatra finday
Tovolahy iray vao 15 taona monja no voalaza fa mpangarom-paosy sady mpangalatra finday efa za-draharaha tao amin’ny tsenan’ Ambatondrazaka. Saron’ny polisim-pirenena teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ny sabotsy, 10 septambra 2016 lasa teo. Ramatoa iray sady mpanamboatra no mpivarotra finday no nanaovan’ity tovolahy ity ny asa ratsiny ka nahavoasambotra azy. Mbola mampinono ilay ramatoa no mody nanontany vidina finday ilay tovolahy. Nohararaotiny notsaihina avy hatrany ny finday iray teo amin’ilay ramatoa rehefa hitany fa sahirana tamin’ny zanany kely ity farany.Tsy nampoiziny anefa fa tsikaritr’ity mpivarotra ity ny fihetsiny izay avy hatrany dia niantso vonjy. Tao anatin’ny fivezivezen’ny polisim-pirenena manao ny fisafoana eny an-tsena tamin’io fotoana io ka tsy afaka nitsoaka lavitra ity voalaza ho tompon’ny halatra finday ity. Mbola nahatratrarana finday iray avo lenta ihany koa tany am-paosiny izay nambarany fa azony tamin’ny harom-paosy nataony talohan’io. “Ao anatin’ny famongorana ireo tontakelin’ny tsena izahay amin’ izao fotoana izao” efa maro no voasambotrahoy ny kaomisera divizionera Ramilison Célestin. Tsy hitsahatra io fanadiovana io hoy izy satria hita ho ireny tontakely ireny hatrany no mampijaly ny mpiantsena sy ny mpivarotra ao an-tsena hoy ihany izy. Miantso fiaraha-miasa amin’ny rehetra ihany koa anefa ny polisy mba hampahomby ny tetik’ady rehetra hametrahana ny fandriam-pahalemana.
Ange R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







