Lozam-pifamoivoizana – Olona roa maty, am-polony naratra mafy
Tsy mitsaha-mitombo ny lozam-pifamoivoizana, izay mitranga efa ho eraka ny lalam-pirenena rehetra ary saika ho isan’andro lava izao. Taksiborosy Sprinter no niharan-doza tany amin’ny lalam-pirenena mihazo ny distrikan’Antsohihy iny, ny alahady hariva lasa teo manodidina ny tamin’ny 5 ora.
Teo amin’ny toerana antsoina hoe Andranofeno, am-pahan-dalana kely tsy hiditra ny tanàna no nivadibadika ity fiara ity ary olona roa no fantatra fa maty tsy tra-drano tamin’izany ary 16 hafa no naratra ka ahiana mafy ny fivoaran’ny toe-pahasalamany. Araka ny vaovao voaray, fiara avy ao Antsiranana nikasa ny handeha hiazo an’Antananarivo ity tra-doza ity. Raha ny filazan’ireo mpandeha nieren-doza dia tsy fitandremana kely nataon’ilay mpamily no nahatonga ny loza satria nandeha mafy tsy misy ohatra izany izy.
Efa tafiditra fiolanana anefa ilay fiara mbola tsy nampidina hafainganam-pandeha ihany na efa maro aza ireo mpandeha nitaraina mafy sy nitaky ny mba handehanana moramora kokoa. Teo vao tsy nahatana familiana intsony ilay mpitondra ny fiara ka nahatonga azy tafavoaka ny lalàna izay nitarika ny fivadihana ambony ambany. Olona roa no maty, 16 naratra mafy, vokatry ny tsy fitandremana. Tapaka hazon-damosina, tapa-tongotra sy tanana ary vaky loha avokoa ny ankabeazan’izy ireo.
Nirodorodo teny an-toerana ireo zandary sy mpitandro filaminana rehefa nahare ny loza ka tsy nijery fotsiny fa nitatitra ireo niharan-doza nakany amin’ny tobim-pahasalamana. Ireto farany ihany koa no nandray an-tanana ny fandoavana ny vidim-panafody rehetra, araka ny loharanom-baovao hatrany. Efa mandray an-tanana ny fanadihadihana rehetra ny zandary any an-toerana.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







